Auteur/autrice : Adnews

Ben’ny Tanànan’Antananarivo: niantso an-dRavalomanana Marc ho kandidà ny Tim

Niantso ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ho kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo ny mpomba azy. Nisy ny fanambarana afakomaly, teny Bel Air. Nanao fanambarana lehibe ny antoko Tim, tarihin’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc, teny Bel Air, tamin’ny sabotsy. Nivoitra tamin’izany ny fangatahana azy hirotsaka hofidina ben’ny Tanàna eto Antana­narivo […]

Asa… anamarinan-toerana

Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izao? Samy miaina izay isiany andavanandro ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra. Tena maharesy lahatra ny vahoaka ifotony ve, ohatra, izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny hoe fampandrosoana? Na araka izay hetahetam-bahoaka sy mahasoa azy ho amin’ny fari-piainana tsaratsara kokoa hatrany izay atao sy iadiana… Izay no […]

Tselatra

Taxi-be iray zotra 192 no tapaka hisatra teo Tsiazo­tafo, ny sabotsy teo. Soa ihany fa mailo ny mpamily ka nandefa ny fiara nihanika tamina tohatohatra teo amin’ny trano fivarotana iray fa raha tsy izany zava-doza no nitranga. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy fa avotra ireo mpandeha rehetra. Mpampianatra […]

Talata Volonondry: jiolahy tratra nangalatra hidin-drano

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray tompon’antoka amin’ny fangalarana vy fanao hidin-drano eny amin’ny tohodrano. Tao Sahanandriana no nahatrarana azy. Tratra teny aminy ny tsatoby lava roa famoahana sy fanidiana rano amina tohodrano manondraka ny saha eny Ambohitrangano. Vesatra hanenjehana azy […]