Auteur/autrice : Adnews

Kick Boxing-Mada 2024: nijerena ny hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena

Nifarana, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Maha­masina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja Kick Boxing. Fifanina­nana nijerena izay mendrika hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Mpikatroka 182 avy amin’ny ligim-paritra 14 no tonga nifanina nandritra ny fifaninanam-pirenena 2024 ity. 108 tamin’izy ireo no niatrika famaranana, izany hoe, ady 54 no nitranga nandritra izay […]

Handball- Mada jeune 2024: hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena

Notanterahina teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, nanomboka omaly, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy, taranja handball. Mana-danja tokoa ity fifaninanana ity, amin’io no hanaovana ny fifantenana mpilalao izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akio, lehilahy sy vehivavy. Anisan’izany ihany koa ny hanana ekipa tompondaka isakin’ny sokajy, « minimes, cadets, juniors ». […]

Baolina kitra : hatao any ivelany avokoa ny lalaon’ ny Disciples sy ny Elgeco Plus

Noho ny tsy fisian’ny kianja nahazo fankatoavana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf), hatao any ivelany avokoa ny lalao mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboara hatrehin’ny Disciples sy ny Elgeco Plus. Efa ofisialy, araka ny vaovao navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao amin’ny […]

Zotra nasionaly: nahitana fiakarany 5000 Ar ny saran-dalana

Nanomboka nampiakatra saran-dalana ny koperativa sasany mankany amin’ny zotra nasionaly, tamin’ity herinandro ity. Anisan’ny nahitana izany ny koperativa “Soa trans” etsy Andrefanambohija­nahary, raha ny fanadihadiana natao. “Nampiakarina ho 5000 Ariary isaky ny toerana ny saran-dalana ho an’ny zotra nasionaly miainga eto Antana­narivo, ankoatra an’i Moron­dava”, hoy ny tomponandraikitra iray ao […]

Fihaonamben’ny mpiasan’ny fahasalamana: I Toamasina no handray ny andiany fahatelo

Mahatratra 4500 ireo mpi­asan’ny fahasalamana manatanteraka ny fihaonambe any Mahajanga (SPSM), nanomboka tamin’ity herinandro ity. Na­hatonga solontena mavitrika avokoa ny avy amin’ny faritra 23. Fanehoana firaisankina sy fampivondronana ny hery ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana no tanjona. Ahitana ireo toko telo ma­hamasa-nahandro, ireo dokotera, ny paramedy sy ny infirmiera ary ny […]