Auteur/autrice : Adnews

Anosisoa Ambohimanarina: nisitraka fitsaboana maimaimpoana ireo sahirana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Anosisoa Ambohimanarina, ny hetsika ara-tsosialy notanterahin’ny fikambanana Fa-mamiratra sy ny Lion’s Club Farimbona ary ny sampandraharaha miandraikitra ny lafiny sosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Fitsaboana maimaimpoana sy fanolorana sakafo ara-pahasalamana no hita nandritra izany. Hetsika efa fanaon’ireto fikambanana ireto izy ity. Tanjona ny […]

Fahasalamana: 24 000 ireo zaza noforaina

Mitotaly 24 000 ireo zazalahy voafora tao anatin’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ny fanjakana, manerana ny Nosy. Misokatra maimaimpoana amin’izany ireo tobim-pahasalamana rehetra, araka ny toromarika nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mbola mitohy ny hetsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ireo kojakoja sy ny saran’ny famorana izay miakatra isan-taona. Tena lafo ny […]

Hatramin’ny taona 1970: nihena 78% ny tahan’ny fahalotoan’ ny rivotra

Miantoka ny fahatomombanan’ny fiainan’ny zava-mananaina ny fahadiovan’ny rivotra. Mikendry hatrany ny fahatsaran’ny tontolo iainana, hisian’ny rivotra madio, ireo manam-pahaizana. Nampivondrona manam-pahaizana sy vondrom-piarahamonina mba hiady amin’ny fahalotoan’ny rivotra aty Afrika ny Clean Air Forum Lagos. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Tsy voafetran’ny sisin-tany rahateo ny fandotoana rivotra. Nisy ny fanohanana […]

DAKA AN-JORONY: Toko telo mafy fototra, telo toko mafy faka

Nanonofy ity zoky am-panahy indray alina. Zoky itoeran’ny fahendrena sy toa teny amin’ny fiarahamonina. Nofy nifono hafatra saingy nony maraina ny andro saika adinony ny nilaza izany tamin’ny fokonolona. Ny mitelin-kafatra rahateo maha be kibo. Nitangorona ny iray tanàna hihaino izany nofy misy hafatra izany. Hafahafa ilay nofy satria mitantara […]

« Coca-Cola PFL » : mivarina diviziona faharoa ny Dato FC sy ny KFCA Diana

Tapitra ny fifaninanana “Coca Cola PFL”, taom-pilalaovana 2024. Mivarina any amin’ny diviziona faharoa ny Dato FC sy ny KFCA Diana. Nisy olana ny fiafaran’ny lalao fahatelo. Notontosaina teny amin’ny kianjan’ny CFFA, etsy Iavoloha, afakomaly, ny andro fahatelon’ny fifaninanana hahafantarana izay ekipa midina any amin’ny diviziona faharoa (D2), “Playout Coca-cola PFL”. […]