Nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB 2 vehivavy nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy zandriny U14 sy U16, natao tany Mahajanga, ny herinandro lasa teo. Tsara marihina fa nofoanan’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball ny lalao, ho an’ny lehilahy, noho ny tsy fahampian’ny fetrisa takina amin’ny fifanintsanana. Voahosotra ho tompondakan’i […]
Auteur/autrice : Adnews
Rugby – XXL Top 12: nisongadina ny «score» tataka be
Sady mahavariana no mahalasa saina ny mahita “score” tataka be aty amin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby XXL Top 12. Tsy mitovy mihitsy mantsy ny tanjaky ny ekipa mifaninanana fa ahitana elanelana be. Tsy miady mihitsy fa lasa mandeha ila toy ny kavin’ny tovolahy, araka ny fiteny ankehitriny, ny zava-misy eny an-kianja. […]
Lalao Olympika (JO 2024): Ireo atleta malagasy sy ny daty hifaninanany
Taranja dimy amin’ireo 47 hiadiana medaly vola-mena ihany no hany handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny lalao Olympika (JO 2024), tantera-hina any Paris, Frantsa. Atletisma, ping-pong, lomano, fibatana fonjamby, judo. Ndeha hofan-tarina ireo atleta sy ny daty hifaninanany. J-5 ny fanombohan’ny lalao Olympika (JO 2024) hatao any Paris Frantsa, anio. Anisan’ireo firenena […]
Théâtre Kala : manana ny maha izy azy ireo mpianatra
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Havoria Anosy, ny « Fangaro 2024”, fampisehoana niarahana tamin’ireo mpianatra eo anivon’ny “Théâtre Kala”. Fampisehoana dihy sy teatra no nandravaka izay seho izay. Tao anatin’izany no nanehoan’ny mpianatra eo anivon’ity sekolin-javakanto ity ny voka-pamoronana nataon’izy ireo. Azo antoka ny hoavin’ny zavakanto malagasy, indrindra ny […]
CGM Analakely: niavaka ny fampisehoana ny « Ilay raiko izay tsy ananako »
Kanto sy matihanina tanteraka ny fampisehoana nataon’ny fikambanana Iza. Na tsy anisan’ireo matihanina aza ireo mpilalao, hain’izy ireo tsara ny nambabo ny fon’ireo mpijery. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny fampisehoana nataon’ny fikambanana Ilay Zanaka Adala (Iza). « Ilay raiko izay tsy ananako » io no […]




