Auteur/autrice : Adnews

Hetsiky ny LMK Hiragasy goavana eny Bemasoandro

Hanao hetsika ho amin’ny fanohanana sy fanampiana ny ao aminy ny sampana eo anivon’ny fiangonana katolika etsy Bemasoandro. Mikarakara seho hira­gasy ny eo anivon’ny Lehilahy misionera katolika (LMK), eny amin’ny fiangonana katolika (Ekar) Bemasoandro, Itaosy. Hifa­nandrina amin’izany ny tarika Raveloson Jean Ba avy any Arivonimamo sy ry Sahon­drafinina zanany avy […]

Lalao Echec – Afrique 2024: tompondaka lefitra i Nivo Hasina

Fararanom-bokatra ny fanatanjahantena malagasy, tamin’ ny faran’ny herinandro teo. Nentin’i Tsinjoviniavo Nivo Hasina ambony be indray ny lazan’i Mada­gasi­kara.Voahosotra ho tompondaka lefitra eto Afrika, ho an’ny sokajy zandriny U10, teo amin’ny lalaon-tsaina Echec, indray mantsy ny tenany. Fihaonana natao tatsy Afrika Atsimo, ny 16 ka hatramin’ny 21 jona lasa teo. […]

Baolina kitra – «Euro 2024»: saro-toerana ny ekipan’i France

Tsy mbola tafita amin’ny ampahavalon-dalana i Fran­ce, ao amin’ny sokajy «D», eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra «Euro 2024». Fihaonana tanterahina any Allemagne. Hiankina amin’ny lalao anio no hahalalana ny tohin’ny dian’izy ireo. Tsy manana afa-tsy isa 4 mantsy ny frantsay hatreto. Tranga maromaro no mety […]

Rugby- « Africa Men’s Seven 2024 »: hifanandrina amin’ny ekipa nigeriana ny Makis

Hotanterahina any amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, ny 29-30 jona sy ny 6 hatramin’ny 7 jolay ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina, taranja rugby lalaovin’olona fito. Ao anaty vondrona A no misy an’i Madagasikara. Afaka andro vitsy! Hiatrika lalao iraisam-pirenena indray ny ekipam-pirenena malagasy Makis, ny 29 jona ho avy izao, […]