Auteur/autrice : Adnews

Haino aman-jerim-panjakana: Hahazo fanohanana avy amin’i Chine

Anaty fanavaozana sy fanatsarana ireo haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, amin’izao fotoana. Ankoatra ny fa­namboarana ireo «pylônes» sy «émetteurs» manerana ny Nosy, havaozina ihany koa ireo fitaovana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Serasera sy ny ko­lontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, tamin’ny minisitra lefitra misahana ny Serasera sy ny haino […]

« Fitampoha 2026 » : Saro-piaro amin’ny maha izy azy ny Sakalavan’i Menabe

Miavaka ny “Fitampoha” amin’ity taona 2026 ity. Manamarika izany manokana ny maha efa eto an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera na Andriamilafikarivo. Tsy manary ny maha izy azy ny sakalavan’i Menabe. Nisokatra omaly, haharitra folo andro, ny “Fi­tam­po­ha 2026”, ao Belo ambonin’i Tsiribihina. Ambohi­pihao­nan’ny foko Sa­ka­lava ao Mena­be ny ao an-drenivohitry […]

Vary afarana: Miato ny fampiharana haban-tseranana sy hetra

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fampiatoana vonjimaika ny haban-tseranana sy ny hetra amin’ny vary afarana avy any ivelany. Tanjona ny hi­antohana ny fahampian’ny vary eny an-tsena, indrindra mialoha ny hidirana amin’ny vanim-potoan’ny maitsoahitra. “Tsy mbola ampy hamaliana ny filan’ny mpanjifa ny voka-bary misy eto an-toerana […]

« IN-CO 2026 » : Omen-danja ny fanodinana ny harena eto an-toerana

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny varotra. Manamafy izany ny Salon de l’industrie et du commerce “IN-CO 2026” izay manasongadina ny fampiroboroboana ny fanodinana ireo harena eto an-toerana. Eo koa ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa. Niso­ka­tra eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, na­nomboka omaly […]

Amoron’i Mania : Mandalo fotoan-tsarotra ireo mpamboly orge

Sahirana ireo tantsaha mpamboly orge noho ny resaka hetra. Nihena ny velarantany hambolena azy sy ny isan’ny mpamboly. Asa fivelomana mihitsy ny fambolena orge any amin’ny kaominina Anjoma Manandriana, Faritra Amoron’i Mania fa tsy voly avotra intsony nanomboka ny taona 1996, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Fenonantenaina Honoré Patrick. Mivelona […]