Auteur/autrice : Adnews

Coca-cola PFL : hofantatra rahampitso ny hanao famaranana

Hotanterahina eto an-dRenivohitra sy any Toliara, rahampitso, ny lalao manasa-dalana miverin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”. Hifanandrina amin’izany ny 3FB Toliara sy ny Elgeco Plus Analamanga, lalao hatao ao amin’ny kianja Maître Kira Toliara. Ny Disciples FC Vakinankaratra kosa handray ny Zanakala FC, etsy amin’ny […]

Baolina kitra : hanampy mpilalao efatra ny Barea

Ankoatra ireo mpilalao efa ao anatin’ny ekipa Barea de Madagascar, hiezaka hitady mpilalao hafa indray ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny mpanazatra. Fantatra fa hohatevenina mpilalao efatra ny ekipam-pirenena. Nambaran’Andriamanam-pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) ta­min’ny mpanao gazety tetsy andrefan’Ambohijanahary, oma­ly, fa nahafa-po ny vokatra azon’ny Barea de […]

fiatrehana ny voina : vita ny Drafitrasa nasionaly Pongu

Narafitra ho laminasa voarakitra an-tsoratra ny asa rehetra ao anatin’ny hamehana mandritra ny fiatrehana ny loza (tondradrano, rivodoza…). “Tafiditra ao amin’ny politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), Andriakaja Elack Olivier, omaly, […]

Fandaharanasa USAID Access : nifarana ny tetikasa amin’ ny anivon-tany

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ara-pahasalamana Accessible Continun of Care and Essential Services (Access), izay vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny MSH. Anisan’ny ifantohan’ny tetikasa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ka tafiditra amin’izany ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Natao tany Fianaran­tsoa ny hetsika famaranana ho an’ny […]

INDRAY MIJERY

100 tapitrisa dolara isan-taona ny fahavoazana ateraky ny rivodoza sy ny loza voajanahary eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe ao amin’ny Banky iraisam-pirenena. Tsapa ny ezaka ataon’i Madagasikara tao anatin’ny 10 taona, vokatry ny fananana politika nasionaly hitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nijanona ho antonony, […]