Auteur/autrice : Adnews

Rugby – Top 12: hanala vela amin’ny Uscar ny Tam

Hotanterahina eny amin’ny kianja Makis Andohatape­naka, rahampitso, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “XXL Top 12”, taranja rugby. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro eny an-toerana ny fifanandrinan’ny Uscar sy ny Tam Anosibe. Mbola manala vela ny ekipan’Anosibe amin’ity fihaonana ity, satria lavon’ny Uscar tamin’ny isa 25 no ho 22 izy ireo nandritra […]

Coca-cola PFL : hofantatra rahampitso ny hanao famaranana

Hotanterahina eto an-dRenivohitra sy any Toliara, rahampitso, ny lalao manasa-dalana miverin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Football League (PFL)”. Hifanandrina amin’izany ny 3FB Toliara sy ny Elgeco Plus Analamanga, lalao hatao ao amin’ny kianja Maître Kira Toliara. Ny Disciples FC Vakinankaratra kosa handray ny Zanakala FC, etsy amin’ny […]

Baolina kitra : hanampy mpilalao efatra ny Barea

Ankoatra ireo mpilalao efa ao anatin’ny ekipa Barea de Madagascar, hiezaka hitady mpilalao hafa indray ny Federasiona malagasy (FMF) sy ny mpanazatra. Fantatra fa hohatevenina mpilalao efatra ny ekipam-pirenena. Nambaran’Andriamanam-pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malaga­sin’ny baolina kitra (FMF) ta­min’ny mpanao gazety tetsy andrefan’Ambohijanahary, oma­ly, fa nahafa-po ny vokatra azon’ny Barea de […]

fiatrehana ny voina : vita ny Drafitrasa nasionaly Pongu

Narafitra ho laminasa voarakitra an-tsoratra ny asa rehetra ao anatin’ny hamehana mandritra ny fiatrehana ny loza (tondradrano, rivodoza…). “Tafiditra ao amin’ny politikam-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza izany”, hoy ny tale jeneralin’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), Andriakaja Elack Olivier, omaly, […]

Fandaharanasa USAID Access : nifarana ny tetikasa amin’ ny anivon-tany

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa ara-pahasalamana Accessible Continun of Care and Essential Services (Access), izay vatsian’ny USAID vola ary tanterahin’ny MSH. Anisan’ny ifantohan’ny tetikasa ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza ka tafiditra amin’izany ny fanentanana amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Natao tany Fianaran­tsoa ny hetsika famaranana ho an’ny […]