Auteur/autrice : Adnews

Hip – hop : 50 taona i Slam Jah, anisan’ireo mpanao Rap zokiny

Lava ny lalana nodiavina ho an’i Slam Jah. Tsy mbola nijanona hatreo anefa fa manohy hatrany ny mozika anatin’ny tontolon’ny Hip-hop ity mpanakanto ity. «Savasavaiko ny lalany dia hataoko ma­n­drakizay», hoy i Slam Jah izay. Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny Hip-hop eto Madaga­sikara, satria anisan’ireo nitondra voalohany ny rivotry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nohitrikitrihin’ny kaomisaria ambony momba ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU ny tokony hanajana ny zo ahazoana mivory an-kalalahana. Tahaka izany koa ny fahafahana maneho hevitra. Niantso ny rehetra hamela malalaka ny HCC hiasa am-pitoniana sy am-pilaminana koa izy ireo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Nodimandry, omaly, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Alliance Française, Raharinosy […]

Fiovan’ny toetr’andro: namaritra ny tetikasany ny fitsinjaram-pahefana

Nisitraka fanohanana amin’ny famolavolana ny Drafitra hiatrehana ny toetr’andro “Climate prosperity plans – CPP” amin’ity taona ity i Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fikaonandohan’ireo firenena tena mahantra “Forum des pays les plus pauvres – CVF” sy ny “Secrétariat du vulnerable twenty – V20” izany. Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]

Hambom-po

  Nahafinaritra ery ny nijery ny fifamoivoizan’ny « teleferika », omaly. Nahoraka izaitsizy teny amin’ny tambajotran-tserasera ny sarin’ireo naka tsirony, nitsingevaheva teny ana habakabaka. Tena hoe raitra sy taratry ny fandrosoana tokoa. Nidanaka ny mpitazana avy ety ambany, dibo-kafaliana ny mpijery avy eny ambony! Variana Ramalagasy! Andro iray, nampihetsika ny hambom-po, omaly. […]

Fifidianana depiote : anatin’ny fandinihana ireo porofo ny HCC

Miasa andro aman’alina, hatramin’ny faran’ny herinandro, ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC. Anatin’ny fandinihana ireo fitoriana izy ireo, amin’izao fotoana izao. Nanamafy ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ra­nesa Firiana, fa anatin’ny fikirakirana sy famakafakana ireo porofo rehetra amin’ireo fitoriana voarainy ny mpitsara avo. Na izany aza, tsy mbola voafaritra ny fotoana […]