«Nitombo 44% ny vola niditra tamin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa momba ny jono niarahana amin’ny Vondrona eoropeanina (UE)», hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Mangarahara tanteraka ny asa sy ny vola niditra tamin’ ity sehatra ity, hoy hatrany ny fanazavany. Notohizany fa fifanaraham-piaraha-miasa faha-11 niarahana tamin’ny UE nahazoana […]
Auteur/autrice : Adnews
Tropic.com : ilaina ny serasera amin’ ny tambajotra
Tsy mitsahatra mivoatra ny fivoaran’ny serasera. Ao anatin’izany ny sehatry ny fizahantany. Mandray anjara eny amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) eny amin’ny CCI Ivato, ny 20-23 jona 2024 ny orinasa Tropic. com. Misehetra amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny mpanjifa. […]
VAOVAO TAMBATRA
Mandroso ny fametrahana fivilianan-dalana any amin’ny tetezan’i Manambary, PK 173, amin’ny lalam-pirenena fahadimy, RN 5, faritra Sava. Any amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar ity lalana ity, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo. Manodidina ny 50 000 hatramin’ny 100 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana anglisy ao anatin’ny fandaharanasa […]
ITM-IHM : « Hanangana hotely kintana 5 miisa 15 », hoy ny filoha Rajoelina
Anisan’ny nivoitra nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny hetsika ITM-IHM, ny hananganana hotely lehibe kintana 5 miisa 15. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany. Nisantatra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ITM andiany faha-10, sy ny asa tanana IHM, andiany voalohany, eny amin’ ny CCI Ivato, […]
INDRAY MIJERY
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny Drafitrasa fanatanterahana ny fampiroboroboana ny fandrindram-piterahana ho an’ny taona 2024 hatramin’ny taona 2028. Tanjona ny hampitomboana ny isan’ny mpampiasa ny fandrindram-piterahana ho 5 tapitrisa. Fomba iray entina miady amin’ny fahantrana izany, hoy ny filohan’ny Repoblika. Hitsidika ny faritra maro ny filoha hizara ny tombontsoa azo […]




