Miha tongasaina ny tanora amin’izao fotoana ary mitsinjo ny hoaviny. Noho ny tahotra ny tsy fahafehezan-tena amin’ny filana ara-nofo ka mety hiteraka vohoka aloha loatra dia miroso aloha amin’ny fampiasana ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny tanora. Ao amin’ny fokontany Amontana, kaominina Vinaninony, distrikan’i Lalangina, mazoto manao fandrindram-piterahana ny ankizivavy […]
Auteur/autrice : Adnews
CEPE : nanomboka omaly ny fandikana naoty
Efa vita ny alarobia lasa teo avokoa ny fitsarana ireo taratasim-panadinan’ny ankizy nanala ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny teto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo, araka ny voalazan’ny Chef Cisco eto Antananarivo Renivohitra. Tsy niandry ela fa nanomboka omaly, ny dingana fandikana ireo naoty azon’ny mpiadina rehetra. Natao tetsy amin’ny Lycée moderne Ampefiloha (LMA) […]
20 taona ny Institut de la vision Madagascar : hanitatra ny asam-pitsaboana sy hanofana mpitsabo maso
15 000 ny olona tratran’ny katarakta eto amintsika, 1% ny tahan’ny fahajambana ka ny 50% amin’ireo vokatry ny aretina katarakta tsy voadidy avokoa. Tsy mbola ampy ny Malagasy mpitsabo sy mpandidy maso ka izay no antom-pisian’ny Institut de la Vision Madagascar. 20 taona nitsaboana sy nandidiana maso ny Institut de […]
« Fetin’ny mozika »: sehatra ho an’ny mpanakanto vao misandratra
Anisan’ireo firenena mankalaza ny « Fetin’ny mozika » isaky ny 21 jona ihany koa i Madagasikara. Natao ho sehatra hiakaran’ireo talenta vao, hanomezana ihany koa mozika vaovao ho an’ny mpankafy. 21 jona, «Fetin’ny mozika». Rivotra nitsoka maneran-tany izy ity, izay niainga tany France, ny taona 1982. Raha toa ka somary […]
«30ème IRD»: hankalaza izany ny eto Madagasikara
Tanterahina ny 1 jolay 2024 ny fankalazana ny “Internationale Reggea Day” (IRD). Anisan’ny handray anjara amin’ izany ny eto Madagasikara. Miditra amin’ny andiany faha-30 ny hetsika amin’ity taona ity. Tanjona amin’ny hetsika ny hampahafantarana ny olona ny gadona Reggea sy ny manodidina azy. Ho an’ny eto Madagasikara manokana, efa vonona […]




