Manana depiote efatra voafidy vonjimaika ho eny amin’ny Antenimiera ny fikambanana Lay Far, Maman Olga Rajoelina. Nambaran’ny filoha mitarika izany, Rakotoniaina Mamitiana, omaly, tetsy 67 ha, fa manohana sy miara-dalàna amin’ny filohan’ny Repoblika izy ireo ka hametraka vondrona parlemantera eny Tsimbazaza, hipetrahan’ny fitoniana eto amin’ny firenena. « Hanova ny fomba fanaovana politika […]
Auteur/autrice : Adnews
Samy amin’ny adiny
Andaniny, nangingina ny mpanao politika tao anatin’ny andro vitsy izay. Samy maka saina sy mikononkonona ny paikadiny manokana mialoha ny vokatry ny HCC. Na ireo avo feo sy ny tsy manaiky resy mora foana aza efa samy nanakombom-bava. Ny fifampiangana madinidinika sy ny fifampihantsiana ankolaka no mandeha any ambadika […]
KMF/Cnoe : “Aoka hamoaka ny voka-pifidianana an-kalalahana ny HCC”
“Miantso hatrany ny HCC ny Fikambanana mba hamoaka ny voka-pifidianana an-kalalahana, araka ny tena marina sy ny lalàna”, hoy ny fanambaran’ny KMF/Cnoe novakin’ny filoha nasionaliny, i Namearison Robert, teny Antanimena, omaly, am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy. Aoka ireo tsy miankina mba hanaja ny safidin’ny olom-pirenena nifidy azy, ka tsy hiandany amin’ny […]
TSELATRA
Naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay lehilahy sy ny sakaizany rehefa nangalatra telefaonina an’ny mpanala fanadinana tao amin’ny sekoly St Michel Itaosy, omaly. Ankizy nanao fanadinana fanatanjahantena bakalorea no tompon’ny entana nangalarin’izy roa ireo, ny alatsinainy 17 jona teo. Olona roa voasambotra hatreto momba ny fahitana ny fatin’ny mpitsara iray misahana […]
Distrikan’Andilamena : dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny zandary i Gadoko, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana ao Bemaitso, fokontany Ambatolampy, distrika Andilamena, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nokarohina hatry ny ela, naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao an-toerana fa mihaodihaody tsy lavitra ny distrika io dahalo io sy ny mpiara-manao asa ratsy […]




