Auteur/autrice : Adnews

Ramamimampionona Gérard: «Fampandrosoana no tena vokatry ny fifidianana»

“Ny tena voka-pifidianana dia tonga marina any amin’ny olona izay nomen’ny vahoaka fahefana na nofidiny ny fahefana, ka hampiasainy ho fampandrosoana ny vahoaka?”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, amin’izao fiandrasana valim-pifidianana depiote izao. Tena hampiasan’izay nofidina na ny fahefana nomena azy amin’izany, ka miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana […]

Ny vahoaka aloha !

  Mety ho amin’ity herinandro ity no andrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Mazava iny ny fitsipi-dalao avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka, hoy izy. Na iza na iza, araka izany, lany dia efa misolo tena ny vahoaka malagasy izy izay. Didy […]

Fiarahamonim-pirenena miisa 52 : «Sazio ireo kandidà tsy nanara-dalàna…»

Namoaka fanambarana ireo eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena miisa 52, omaly, tetsy Ambatonakanga. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa maro ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana depiote teo. Anisan’ny voamarik’ireo mpisehatra misahana ny fanaraha-mason’ny fifidianana izany ka nitakin’izy ireo amin’ny HCC sy ny fitsarana ny hanafoanana ny vaton’ireo kandidà nanao fandikan-dalàna. Teo ny nandritra ny […]

Halatra taolam-paty : Kandidà depiote ao Anosibe an’Ala ahina

Eo am-piandrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), kandidà depiote iray ao Anosibe an’Ala no voatonontonona ho tompon’antoka amin’ny vaky fasana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpanao famotorana, nisy halatra taolam-paty tao amin’ny fokontany Niarovana, kaominina Longozabe, ta­min’ny zoma alina. Tratra ireo mpamaky fasana […]

TSELATRA

Sokatra miisa 200 indray no saron’ny zandarimaria teny Ambohimandray, Mahitsy, afakomaly. Nifono tao anaty solefanina avokoa ireo biby voasokajy ho anisan’ny ahina ho lany tamingana ireo. Tsy fantatra ny tompon’antoka tamin’ny fanariana azy ireo amoron-dalana ka manao fanadihadiana ny zandary amin’izao fotoana. Zaza 13 taona maty voatifitry ny jiolahy nandritra […]