“Miasa ho amin’ny maha olona manontolo ny Eglizy karismatika fiainam-baovao fa tsy mitory teny ho an’ny fanahy fotsiny ihany. Izany hoe, miasa ho amin’ny vatana sy saina ka antony nananganana ny sampan’asa fampandrosoana”, hoy ny mpitandrina Razafindratsimba Louis François. Nanteriny fa hamelomana ny talentan’ny mpino tsirairay mba ho fanoitra hampivoatra […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanarenana ireo tena marefo: hiahy ankohonana 657 000 ny fandaharanasa “Tsimbina”
Mampahafantatra ny fandaharanasa vaovao, “Tsimbina”, izay tanterahiny ny Fid.Hiahy ankohonana marefo miisa 657 000 ity fandaharanasa vaovao ity. Fandaharanasan’ny governemanta malagasy ho fiahiana ireo mpiara-belona marefo noho ny fiakaran’ny vidim-piainana sy hanohanana ny fianaran’ny ankizy ny fandaharanasa “Tsimbina”. Vatsy sy tantsoroka misy fanentanana sy hetsika entina manatsara ny fiainan’ireo ankohonana […]
TARATRY ny KANTO
Kiaka etsy amin’ny Piment Café Behoririka. “Hifandao indray” ny lohatenin’ity seho anio alina ity. Hifandao vetivety ny marimarina kokoa, satria hitodi-doha ho any ivelany indray i Johnny, iray amin’ireo mpikambana. Fotoana iarahana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy tsy afaka tamin’ireo seho nifanesy nataon’ny tarika Kiaka teo izany. “Generation 2000” – […]
«Festival international du film d’animation»: nisongadina ny horonantsarimiaina «Ala fady»
Tanterahina ao Annecy-France , nanomboka ny 11 jona 2024 hatramin’ny 15 jona 2024, ny “Festival International du Film d’animation”. Mpamokatra sy mpanatontosa horonantsarimiaina maro maneran-tany no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Anisan’ izany ny horonantsarimiaina « Ala fady », an’i Maneza, izay Malagasy mpanatontosa. Efa an-taonany maro no nisian’ny hetsika. Ankoatra ny fampivoarana […]
“Angano sy Mozika”: endri-panabeazana manakaiky ny ankizy
Izay mora raisin’ny ankizy no mahomby indrindra. Tratra ny tanjona tamin’ny “Angano sy Mozika”, endri-panabeazana iray voizina mandritra ny “Kilonga milalao”, any Antsirabe. Nambara hatramin’izay fa ny angano no endri-panabeazana nitaizan’ny Ntaolo ny ankizy. Teo ihany koa ny hira sy mozika, izay nifandovana nandritra ny vanim-potoana maro nifanesy. Koa naninona […]




