Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Fiara starex sy 4×4 iray nifandona teny Anjohy, anatin’ny biroborintany faharoa, omaly tolakandro. Nisedra olana teknika ilay fiara starex ka antony niteraka ny fifandonana araka ny fanazavana voaray. Tsy nisy aina nafoy saingy nisy ny naratra. Zazavavy telo taona maty kilan’ny afo tao Ambo­dimadiro, fokontany Anosikely avaratra, kaominina Maeva­tanana, ny […]

Itaosy: tratra ireo efa-dahy nanendaka mpitondra moto

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avokoa, omaly, ireo olon-dratsy miisa efatra na­nendaka sady nangalatra moto teny Itaosy. Hamonjy fodiana, nitondra moto ny raim-pianakaviana iray teny Antanimenakely, kaominina Itaosy, ny alin’ny 9 jona tamin’ ny 11 ora sy sasany alina. Nosakanan’ny lehilahy miisa efatra anefa izy. Tsy afa-nandositra ilay mpitondra moto. Nosavain’ireo […]

Marary tsy nisy mpanati-kanina : lehilahy maty tao amin’ny hopitaly

Lehilahy, narary tao amin’ny hopitaly iray no matin’ny hanoanana. Tsy nahavita manati-kanina ho azy ny fianakaviany izay tena sahirana. Tsy nisy olon-kafa niantra ihany koa izy. Namoy ny ainy, ny talata maraina teo, ny raim-pianakaviana iray rehefa nianjera teo an-tokotanin’ny Hopitalibe Toamasina. Noho ny hanoanana no antony nahafaty azy, araka […]