Kaompania anisan’ny matanjaka indrindra maneran-tany ny Emirates. Hampitombo ny mpandeha sy ny mpizahatany ny fahatongavany aty Madagasikara. Hiampy indray ny fitaterana ana habakabaka. Hisokatra amin’ny 3 septambra 2024 ho avy izao, ny zotra fiaramanidina mampitohy an’Antananarivo sy Dubaï, mandalo an’i Mahé Seychelles. Miantoka ny fitaterana ny kaompania Emirates. Nilaza ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa Miarova: 141 tapitrisa dolara hanamafisana ny fanaovam-baksiny
“Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny Banky iraisam-pirenena ny tetikasa Miarova na Miaro Antsika Rehetra amin’ny Covid-19 ny Vaksiny”, hoy ny talen’ny fandaharanasa momba ny vaksiny, i Tsivahiny Paubert, tany Morondava. Tanjona ny hisitrahan’ny rehetra vaksiny sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mitentina 141 tapitrisa dolara ny famatsiana ny […]
Ireo tetiandron’ny fanaovam-baksiny
Manomboka amin’ity taona ity, zaza herintaona ka hatramin’ny 5 taona tsy nisitraka vaksiny mihitsy no ezahina hatao. Miisa 1 224 738 izy ireo, anatin’ny distrika 56. Hanomboka ny 17 ka hatramin’ny 21 jona izao ny hetsika fanaovam-baksiny ho an’ireo zaza sy ankizy voalaza ireo. Ny 2 ka hatramin’ny 12 jolay, […]
Baies roses: manomboka ny taom-piotazana
Notanterahina tao amin’ny kaominina Mandiso, distrikan’i Taolagnaro, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy fivarotana ny vokatra baies roses, ho an’ity taona 2024 ity. Voalohany indrindra amin’ireo kaominina manana vokatra tsara sy betsaka ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro i Mandiso ary mitana ny laharana faharoa maneran-tany. Ny faritra Anôsy miaraka […]
Tetikasa « e-Jery by Telma » : hampidirana ny ankizy amin’ ny tontolon’ny niomerika
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, tetsy amin’ny Maison du numérique Ambatonankanga ny tetikasa “e-jery by Telma”. Tetikasa iarahan’ny Telma Madagascar sy ny Maison du numérique miasa. Hetsika ahafahana mampianatra ny ankizy sy zaza malagasy ny tontolon’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra, izay atao etsy amin’ny Maison du numérique ny tetikasa. […]




