Hell’s Rush ao amin’ny Kudeta Urban Club. Ao anatin’ny fampahafantarana hatrany ny rakikirany vaovao ny tarika. Misesy ny fiakarana an-tsehatra ka etsy amin’ny kudeta Urban Club Anosy indray ry Chloé sy ny tariny, manomboka amin’ny 4 ora. Ho vahinin’izy ireo mandritra izany, ry Abasse, Dessa ary Mario ao amin’ny tarika […]
Auteur/autrice : Adnews
“Canal + Asaramanitra” : handeha amin’ny Novegasy ireo sarimihetsika vaovao
Sehatra ho an’ny sarimihetsika malagasy ny Novegasy ao amin’ny Canal +. Hiampy ny tolotra ho an’ny fianakaviana amin’ity volana jona ity. Nokendrena hanana ny anjarany ny tsirairay. Nosafidiana ihany koa ny ora maha ao an-tokantrano ny ankamaroan’ny mpianakavy. Tolotra ho an’ny fianakaviana mantsy ny “Canal + Asaramanitra”. Mitana ny laharana […]
FANTINA sy FINTINA
Mitohy ny adidy, araka ny hafatry ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny CGP Rakotoarimanana Herilala, teny Antanimora, afakomaly, ho an’ny polisy. Mandra-pivoahan’ ny voka-pifidianana ofisialy, entaniny ny rehetra hanaraka ny lamina sy ny toromarika isan’ambaratonga amin’ny fitanana hatrany ny filaminana sy ny fandavorariana ny fandriampahalemana. Ao anatin’izany ny fankalazana ny 26 […]
HCC : alohan’ny 26 jona ny voka-pifidianana ofisialy
“Ampahatsiahivina ny rehetra fa 16 andro farafahelany aorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika no mamoaka ny vokatra ofisialy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana”. Io ny filazana ho an’ny kandidà nampitain’ny HCC tamin’ny tranonkalam-pifandraisany, afakomaly. Araka izany, alohan’ny 26 jona no mety hanambarany ny voka-pifidianana ofisialy, raha amin’ny 11 jona ho avy […]
Mila manova lojika !
Mangingina hafahafa izany ny tanàna. Asa, mbola samy variana amin’ny resa-pifidianana ny vahoaka malagasy. Ny hatsiaka izay tena mamirifiry tokoa efa mampitondra faisana rahateo. Manomboka mahazo vahana ny karazan’aretina mifandraika amin’ny toetr’andro. I Madagasikara rahateo anisan’ny lohalisitra amin’ny firenena mizaka ny vokadratsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. […]




