Auteur/autrice : Adnews

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy ekena ny fambolena korontana”

Mazava ny fitsipi-dalao! Tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto Madagasikara ny Praiministra Ntsay Christian. ”Tsy misy mahazo tombontsoa amin’izany”, hoy izy. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Tsy misy mahazo tombony ao anatin’ny korontana, ary tsy eken’ny fitondram-panjakana sy ny governemanta manokana ny fambolena korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny Praiminisitra […]

TSELATRA

Zazamenavava narian-dreniny teo amin’ny tetezana Tanamakoa, Toamasina, omaly maraina. Napetraka tao anaty harona plastika mainty io zaza io. Mpandalo no nahatsikaritra ka nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ireo tomponandraikitra. Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana teny amin’ny lalam-pirenena faha-55, PK 204+ 500, fokontany Tantalavalo, kaominina Ankatsakantsa Atsimo, distrikan’i Morombe, ny alakamisy 6 […]

Fahafatesana mampiahiahy : notorian’ny fianakaviam-badiny ilay vehivavy

Mampiahiahy ny fianakavian’ilay tovolahy hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Amparatanàna, Fenoarivo Atsinanana, ny fihetsiky ny vehivavy vadiny, nanomboka ny alarobia 5 jona teo. Nifatotra tady ny tendan’ilay lehilahy tamin’io fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany io. “Tsy namono tena ny havanay fa novonoina. Nosarontsaromana tamin’ny famonoantena izany”, hoy […]

Soanierana Ivongo: Tovolahy latsaka tao anaty rano mangokatra

Nitsovaka mihitsy ny vatan’ilay tovolahy iray antsoina hoe Galera latsaka tao anaty rano mangotraka, tao amin’ny fokontany Ambodivoanio Soanierana Ivongo, afakomaly. Tampoka ny fiavian’ny loza ary samy tsy nanampo izany ireo mpiara-miasa aminy. Avy nahandro ravin-jirofo izy ka teo am-piomankomanana hody no nisolifatra tampoka, latsaka tao anaty vilanibe mbola nisy […]

Nahondrana ao Kaomoro : olona telo nahatrarana sokatra 400 isa

Sokatra miisa 400 saron’ny mpitandro filaminana tao Moroni, nosy kaomoro, afakomaly. Nisy olona telo nosamborina ka naiditra am-ponja vonjimaika. Nampiahiahy ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny fisian’ny mpanao trafika. Nosavaina ny trano fonenan’ireo olona nampiahiahy rehefa nahazo loharanom-baovao izy ireo. Na­hitan’ny tomponandraikitry ny filaminana baoritra miisa telo tao amin’ny trano […]