Auteur/autrice : Adnews

Trail – Trophée de l’Ocean Indien : azon’i Mamy ny medaly volamena

Nihofahofa tatsy La Réunion indray ny sainam-pirenena malagasy ny sabotsy lasa teo. Lasan’Andrianirina Hobilalaina Rivosoa, fantatry ny rehetra amin’ny solonanarana hoe : Mamy, ny medaly volamena teo amin’ny fifaninanana hazakazaka anaty natiora na ny Trail – Trophée de l’Ocean Indien, andiany voalohany. Fihaonana, nokarakarain’ny Association Cultu­relle et Sportive de l’Ocean Indien. […]

Barea de Madagascar : mpilalao 24 no any Afrika Atsimo

Afaka roa andro sisa, hiaka-tsehatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika. Ny ekipa nasionalin’i Comores no hihaona amin’ny Barea de Madagascar, lalaon’ny andro fahatelo ho an’ny vondrona “I”, hatao ny 7 jona, ao Johannesburg. Araka ny vaovao voaray, omaly, […]

Tsipy kanetibe : tompondakan’Analamanga ny ABMI sy Besady Plus

Mbola noporofoin’i Havana sy i Baloti (ABMI) indray ny maha andrarezina azy ireo, eo amin’ny tsipy kanetibe. Norombahin-dry zalahy ny ho tompondakan’ny ligin’Analamnaga. Ny Besady Plus kosa no teo amin’ny vehivavy Notanterahina ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Para Ivato, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Anala­manga, […]

TARATRY ny KANTO

“Embona sy hanina an’i Dadah R’Abel”. Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy Mahaleo, sy ny mpankafy an’i Dadah R’Abel manokana ity. Seho miavaka ho fahatsiarovana azy ny sabotsy 29 jona izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, etsy amin’ny PK 00 Soarano. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ity mpanakanto ity izany, raha […]

“Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano” : mpikanto sy tia kanto 50 mahery handray anjara

Miainga eny ifotony hoe ny fampandrosoana? Ka izay indrindra ny soatoavina vohizin’ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”. Hafatra ampitaina amin’ny alalan’ny zavakanto… Inona tokoa moa ilay hoe fihavanana, lazaina fa soatoa­vina an’ny Malagasy manokana? Mila tsy voavaly intsony izay, raha tarafina amin’ny fiainam-piarahamonina misy amin’ izao fotoana. Inona anefa ny tokony […]