Auteur/autrice : Adnews

Jirama : mpiasa roa naiditra am-ponja

Tra-tehaka nanao fampi­diran-jiro tsy ara-dalàna ny mpiasa miisa 6 ao amin’ny Jirama. Miasa eny amin’ny masoivoho Tanjombato ny efatra amin’izy ireo, ary mpiasa an-tselika, tsy manana fifanarahana arakasa ny roa. Naha­trarana azy ireo ny fitarainana voarain’ny orinasa. Nilaza ny mpanjifa fa nitakian’izy ireo volabe, hampidirana ny jirony, na efa voaloa […]

Fampiasana ny teknolojia : nandray anjara tamin’ny “Gitex Afrika 2024” isika

Nifarana ny zoma teo ny hetsika “Gitex Africa”, andiany faharoa, izay natao tany Maroc, naharitra telo andro. Nisolo tena ny firenena malagasy ny avy amin’ny sehatra tsy mian­kina, ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola samihafa ary ny solontenam-panjakana. Voaresaka nandritra ny fihaonambe ny fikarohana ireo fahaiza-manao ara-teknolojia amin’ny sehatry ny fampandrosoana […]

Hetsika eny Analakely : tandrovina ny fahadiovan’ny sakafo

Hisy hetsika hanamarihina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana ny fahadiovan’ny sakafo atao eo amin’ny Parvis Analakely, ny zoma ho avy izao, araka ny fanambaran’ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN). Tranoheva maro no handray ny mpitsidika mandritra ny tontolo andro, ahitana fampirantiana ny akora azo atao sakafo miaraka amin’ny torohevitra […]

INDRAY MIJERY

Ny fandalovana rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no mamaritra ny toetry ny andro anio sy rahampitso. Hahazo vahana miandalana ny tsiokan’ny varatraza manomboka ny alarobia. Tombanana hisy alondrano avy any atsimo hipaka any amin’ny morontsiraka atsimon’ny Nosy, anio sy rahampitso, eo ane­lanelan’Itampolo sy Vohipeno ka hahery ny ranomasina. Isan-taona, mikaraka ny […]