“Raha ny antontanisa tsotsotra, ny ankamaroanay solombavambahoaka dia samy mirotsa-kofidina avokoa. Saika ohatra an’izay koa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitra, ireo solombavambahoaka tsotra, ireo filoham-baomiera…”. Io ny nambaran’ny filoha mpisolo toerana vonjimaika eny anivon’ny Antenimierampirenena, Rabenirina Jean-Jacques, manoloana ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoan’ny parlemanta hisokatra anio izay mifanindry amin’ny fampielezan-kevitra […]
Auteur/autrice : Adnews
Foloalindahy: manome lanja ny teny anglisy
Manome lanja ny fifehezana tenim-pirenena vahiny, ahafahan’ireo miaramila mivelatra amin’ny sehatra maro eo amin’ny famitana iraka marolafy, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany, handalina izany ny avy eo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Filoha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ireo miaramila mpitsabo ary mpiasa sivily ao […]
26 jona 2024 : hiavaka ny fanamarihana ny fetim-pirenena
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), Ampahibe ny fanomanana ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy… Ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, no nitarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana hanomanana ny fetim-pirenena, 26 jona […]
Kolontsaina tia mandraharaha: mpianatra 200 mianadahy nahazo torohevitra
Miantoka ny famoronan’asa sy fitadiavam-bola maharitra ny tontolon’ny fandraharahana. Ilaina ny fanabeazana ny tanora hahay handraharaha sy handray an-tanana sahady ny hoaviny hamantarany ny lalan-kizorany rahatrizay. Nizara ny kolontsaina tia fandraharahana tamina mpianatra kilasy faharoa, miisa 200 mianadahy, avy amin’ny Lycée Akamasoa, Père Pédro, omaly, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy […]
Fizahantany: mandray anjara amin’ny “ATM 2024” isika
Nanomboka omaly ka hatramin’ny 9 mey izao ny hetsika “Arabian Travel Market (ATM)”, izay atao any Dubai World Trade Centre. Anisan’ ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny 0fisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Hampahafantatra ny hakanton’ny Nosy malagasy sy ny mampiavaka ny firenena izy ireo. Marihina fa […]




