Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

Jimmy Harrison amin’ny ilay nahafantarana azy. Anjaran’ity mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany ity no mampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tsy misy tsy mihaiky ny talentany amin’ny famerenana hira vahiny sy malagasy, ary vao avy nihodina tany Frantsa niaraka tamin’ny tarika Gasy Band izy. Hihaona manokana amin’ireo mpankafy […]

ny tetikasa Kanto Manabe: mitohy amin’ny fianarana sary sokitra

Ny mahakasika ny sary sokitra indray no hiseharan’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), mandritra ity volana mey ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mizara dingana telo ny fanatanterahana izany. Voalohany ny fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manaraka izany ny fiparitahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voaofana, eny amin’ireo sekolim-panjakana sy toeram-pitaizana ankizy maro samihafa. Ao anatin’izany […]

Hetsika “Repoblika”: hivoizana ny demokrasia ny Hip-Hop

Kolontsaina sy soatoavina afaka voizina ho fiarovana sy fampiroboroboana ny demokrasia ny Hip-Hop. Izay no ezahina havoitra anatin’ny hetsika “Repoblika”, ny zoma izao. “Ny Hip-Hop no hanavotra ny demokrasia?”. Anisan’ny lo­ha­hevitry ny loabary an-dasy anatin’ilay hetsika “Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy ny fahalalana”io. Hotontosaina ny zoma 10 mey izao izy […]

Olan’ny rano sy ny fiovan’ny toetr’andro : vahaolana ny fametrahana fitahirizan-drano sy tohodrano manerana ny Nosy

Mbola misedra olana vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro sy ny rano i Madagasikara hatramin’izao, ra­ha ny zava-misy. Manana an­­­jara goavana ha­mahana ny olana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Rano, fa­nadiovana sy fi­diovana. Mbola ambany ny fanomezan-danja ny ady amin’ny fikorontanan’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny lafiny rano fidiovana sy […]

FANTINA sy FINTINA

Nahazo taratasy fanesorana azy ireo sefo fokontany miisa 14 eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Voalaza ho manana ny firehana politikany manokana ka mampanahy amin’ny fiandaniana izy ireo, araka ny taratasin’ny sefo distrika. Nanao fitaraina eny anivon’ny fitsarana izy ireo, manoloana izany. Notoloran’ny kandidà avy amin’ny Kolekitifa Avaradrano akanjo vaovao hoenti-miasa avokoa […]