Nifarana ny talata lasa teo teny Ambatobe ny fiofanana nataon’ireo mpanazatra miisa 16, ny taranja Padel eto Madagasikara. Nitarika sy nizara ny traikefany nandritra ny roa herinandro, i Julien Bondia, mpanazatra iraisam-pirenena. Raha tsiahivina, mpanabe amin’ny taranja Padel, nanomboka ny taona 2014 izy rehefa avy mpilalao ny taona 2008. Fahombiazana […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Misaona ny tontolon’ny taranja handball malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata lasa teo tany Toliara, i Debrockay Willy fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Ralila sy i Fihenena Parfait. Izy mirahalahy ireo izay samy mpilalaon’ny Asco Toliara. Efa nandrombaka ny tompondakan’i Madagasikara niaraka izy mirahalahy. Hiditra an-tsehatra anio, ireo mpanao judo Malagasy […]
Handball – «Licence D IHF» : mpanazatra 18 miofana
Nanomboka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana ho an’ireo mpanazatra, eo amin’ny taranja handball. Mahatratra 20 mianadahy ireo miatrika izany avy amin’ny ligim-paritra 7 eto Madagasikara. Mitarika izany ilay manampahaizana frantsay, avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena, i Alain Desserten. Lohahevitra maro no ifantohan’ny fampianarana. Manomboka any amin’ny fomba fitarihina […]
Kitra – Pureplay football league (PFL) : tsy azo jerena ny lalaon’ny 3FB sy ny Fosa Jr
Hiditra amin’ny ampahefa-dalana ny “Play-offs” ireo ekipa 8 hiady izay ho lohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Ankoatra ireo fihaonana telo, tsy azo atrehin’ny mpijery ny lalaon’ny 3FB Toliara sy ny Fosa Jr Boeny. Hotanterahina ny alahady 28 avrily ho avy izao, ny lalao ampahefa-dalana mandroso […]
Fiforonana rivodoza : ahina hanomboka amin’ny herinandro
Tsy mbola ahina ny hisian’ ny rivodoza amin’ity herinandro ity (22 hatramin’ny 28 avrily), fa mety hanakaiky an’i Madagasikara na dia mety hisy fiforonana rivodoza aza ao avaratra atsinanan’i Madagasikara ny faran’ny herinandro izao, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Amin’ny herinandro manaraka kosa (29 avrily hatramin’ny […]




