Auteur/autrice : Adnews

Valo lahy nanafika: vola 6 hetsy sy ordinatera voaroba

Norobain’ny jiolahy valo lahy ny tokantrano iray tao Andohony, fokontany Antsahabe sy kaominina ambanivohitra Bongatsara, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nosokirin’ireo olon-dratsy ny varavaram-by tao ambony rihana saingy tsy voasokany.  Nambanany basy avy eo amin’ny varavarankely ireo tompon-trano ka voatery namoha ny varavarana. Tafiditra tao an-trano izy valo lahy […]

Anosizato: jiolahy nitam-basy lavon’ny zandary

Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana lavon’ny mpitandro filaminana tao Anosizato, ny alin’ny alatsinainy 22 avrily teo. Nahatrarana basy vita gasy teny aminy. Jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadiana la­von’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fe­noa­rivo tao Anosizato, afakomaly alina, tamin’ny 10 ora. Naha­ray loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosi­zato […]