Auteur/autrice : Adnews

Toeram-pivoriana sy fiofanana: Notokanana, omaly, ny Tranom-biavy Toamasina

Notokanana omaly, tao amin’ny fokontany Sahavola, kaominina Fenoarivo Atsinanana ny tranom-biavy. Natokana hivoriana sy hiofanan’ny vehivavy, mba handratoana fahalalana sy hampitomboana traikefa ary hampahaleo tena azy ireo amin’ny sehatry ny asa fitadiavam-bola. Tonga nanotrona izany, tany an-toerana, ny minisitry ny Fitsarana, misolo toerana ny ministiry ny Mponina, Randriamanantenasaoa Landy Mbolatiana. […]

Masoivoho amerikanina: hisokatra ny American Center

Ivontoerana ahafahana manovo fahalalana ho an’ny tanora ny American Center. Hisokatra ato ho ato izy io, araka ny fampahafantarana nataon’ny masoivoho amerikanina. Nampahafantatra ny ma­soivoho amerikanina fa hisokatra tsy ho ela ny American Center. Ho afaka tsidihina mivantana izany ary ahafahana manaraka ireo fandaharanasa maro ao amin’io masoivoho io. Feno […]

INDRAY MIJERY

Tranga manahirana ny ray aman-dreny: ny zanany autiste marary nify ka tsy hita izay hanaovana azy. Misy ny hetsika iarahana amin’ny fikambanana Autisme Madagascar, atao eny amin’ny Clinique dentaire adventiste Soamandrariny, ny 24 sy 26 avrily izao. Misy manampahaizana manokana amin’ny fikojakojana nify ho an’ireo autiste ho avy ao. Tsy […]

Apipa: tokony ho saro-piaro amin’ny fotodrafitrasa iombonana ny rehetra

Manao fanentanana ny Apipa momba ny tokony hiarovan’ny rehetra ny fananana iombonana, indrindra ireo fefiloha miaro ny moron’ny renirano eto Antananarivo. Tsika­ritra ny fahalavorariana amin’ny fa­havitan’ny fotodrafitrasa. Ani­san’izany ny rarivato va­venty manamorona ny reni­ra­non’ Ikopa manomboka eo Anosi­zato hatreny Andohata­penaka. Tsy ny eo ihany fa maro no efa vita ny […]

Ady amin’ny aretina lefakozatra : Hisy fanaovam-baksiny faobe ny 14 -17 mey

Nahatsapa vokatra tsara ny tomponandraikitra taorian’ny andiam-baksiny faobe, maimaimpoana, iadiana amin’ny aretina lefakozatra eto amintsika. Mitohy ny ezaka ka hiroso amin’ny fanaovam-baksiny vaovao indray ny fanjakana. Nidina ny tahan’ny zaza vita vaksiny mahazatra teto amintsika taorian’ny fiatrehana ny valanaretina Covid-19, niato ny fanaovam-baksiny, teny amin’ny tobim-pahasalamana satria naompana tamin’ny ady […]