Auteur/autrice : Adnews

TARATRY ny KANTO

“Tokotany be”, hifarana anio. Vakodrazana nataon-dry Rakoto Frah Junior sy seho nataon’i L Jo no namarana ny andro faharoa, omaly. Hiompana amin’ny literatiora sy ny boky kosa ireo atrikasa hifandimby, amin’ny andro farany, anio. Hamarana ny fotoana amin’ity hetsika hanasongadinana ny indostrian’ny kolontsaina ity kosa ny seho hataon’ i Njara […]

Profesora Rafolo: “Tokony hatao harembako-pirenena ny Rovan’Antongona”

Anisan’ireo vakoka tafiditra ho anisan’ny toerana miavaka sy zava-naorina ny Rovan’Antongona. Nisy ny fitsidihana teny an-toerana, nanasongadinana azy indray. 18 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny toerana miavaka sy zava-naorina. Noho ny antony manokana, omaly 19 avrily vao nanamarika izany ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. “Toerana miavaka sy zava-naorina, vonona […]

FANTINA sy FINTINA

Vonona ny minisitra mpisolo toerana hisahana ny Atitany, Andriantsitohaina Naina, ho amin’ny fiaraha-miasa hampandehanana ny raharaham-panjakana, indrindra amin’izao fotoam-pifidianana izao. Tontosa omaly, tetsy Anosy, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Tokely Justin, kandidà depiote any Sambava. Nandray anjara tamin’ny fivorian’ny APF i Madagasikara. Nifanakalozana tamin’izany ny andraikitry […]