Auteur/autrice : Adnews

Raharaha eny amin’ny fitsarana : manentana hakana mpisolovava ny holafitra

Nahavita fianianana omaly, tetsy Anosy, ireo mpisolovava miisa 44. Dimy amin’izy ireo matihanina raha mpiana-draharaha kosa ny ambiny. Nam­baran’ny filohan’ny Holafitry ny mpisolovava, ny Me Raon­dry Alain, fa ilaina ny fanatonana azy ireo raha manana raharaha eny amin’ny fitsa­rana. “Ilaina izany hisorohana ireo mpijirika. Aleo maka mpisolovava ny mpitory na […]

Kolonely « faneva »

  Mahoraka ny fanovana ny dahalo ho olom-banona any amin’ny faritra Menabe, tarihin’ny kolonely Faneva. Zato­volahy analinkisa no miriorio eraky ny tanàna fa “niova fo”. Mahafaly ny mponina any an-toerana izany. Mampitsiri­ritra ny any amin’ny faritra hafa, indrindra ireo toerana izay mbola hanjakan’ny tsy fandriampahalemana. Tena mihorohoro ny olon-dratsy. Voasoroka […]

Filohan’ny HCC : “Voararan’ny lalàna ny fitsikerana didim-pitsarana”

Nampitandrina ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent, manoloana ireo resabe tato ho ato. Anisan’izany ny momba ny didy sy ny fanapahana raisin’izy ireo. “Misy ny lalàna eto amintsika, ny And. 126 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana milaza mazava tsara fa tsy azo atao fa mahavoasazy ny mi­tsikera na manaratsy didim-pitsarana”. Io no […]

TSELATRA

Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Naka fitaovana toy ny fahitalavitra sy kiraro ny roa lahy. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny tao Amboronomby kosa ny roa lahy hafa. Vilany dimy sy finday no tratra teny amin’izy ireo. Raim-pianakaviana sy ramatoa iray maty tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo […]

Talatamaty : mpanao taxi-moto maty nohosen’ny kamiao

Mpanao taxi-moto iray maty nipotsaka atidoha vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Bel’air, kaominina Talata­maty, ny alin’ny alakamisy 18 avrily tamin’ny 9 ora sy sasany. Niandry mpandeha teo amin’ny sisin-dalana niaraka tamin’ny namany io mpitondra moto io. Nandalo tampoka anefa ny kamiao lehibe iray nitodi-doha hihazo ny lalan’ Ambohidratrimo. Nianjera ilay mpanao […]