Auteur/autrice : Adnews

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : «Tsy mitombina ny fitorian’ny Abmi», hoy ny FSBM

Namaly ny fangatahan’ny klioba Amical bouliste Mandrosoa Ivato (Abmi), ny Federasiona sport boule malagasy (FSBM). Taorian’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tsipy kanetibe, malagasy sy ny iraisam-pirenena, tsy mitombina ny fitorian’izy ireo. Tsy nahazo rariny ny fangatahana hanintsanana ny ekipan’ny Union bouliste Manjaka (UBM), tompon’ny amboaran’i Madagasi­kara 2024, taranja tsipy […]

Fiarovana ny tontolo iainana : mampihena ny fandaniana ny fampiasana arina maitso

Azo lazaina fa mbola vitsy ny olon-tsotra manjifa ny vokatra vita amin’ny arina ekolojika eto Madaga­sikara. Anisan’ny mampihena ny vola mivoaka eo anivon’ny tokantrano tsirairay kosa anefa ny fampiasana azy io. Miankina tanteraka amin’ ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay avokoa ny 95% ny tokantrano eto Madagasika­ra. Mbola lafo vidy ho […]

FANTINA sy FINTINA

Nirarakompana ny fanesorana Prefet sy lehiben’ny distrika, araka ny fanapahana noraisina teo amin’ny filankevitry ny minisitra natao tany Toamasina, afakomaly. Maherin’ny 20 ny fanendrena olom-baovao ka anisan’izany ny Prefet an’i Tsiroanomandidy, Mana­kara… Ny sefo distrika any Mandoto, Bealanana, Ma­nandriana, Mahabo,Vohibato Mitsipaka ny fanaovana fitaovana politika ny mpiasam-panjakana sy anaovana tsindry […]

Fampahafantarana ny vina : mahazo dimy minitra amin’ny TVM / RNM ny kandidà

“Mialoha ny fampielezan-kevitra, mahazo dimy minitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, ny kandidà tsirairay hahazoany mampahafantatra ny momba ny tenany na ny antoko misy azy na ny vinam-piarahamoniny ary manentana ny olom-pirenena handray anjara amin’ ny fifidianana”. Io ny fanazavan’ny talen’ny serasera sy ny fanabeazana ary ny fanentanana momba […]

Ho lalao maloto?

  Mbola mitohy foana ny antsojay ifanaovan’ny samy mpanao politika. Ny mifanipaka an-toerana toa valala an-karona, andaniny. Ny ankamely sy ny ankasomparana amin’ izay tsy mitovy hevitra, ankilany. Taratry ny tsy fahatokisan-tena sy ny fahalemena anefa izany. Manaporofo ny tsy fahazakana fifaninanana. Fihetsika mifono hafatra hafa­hafa rahateo, indrindra amin’izay ho […]