Ho feno 185 taona, ny alahady 14 aogositra izao ny namonoana an-dRasalama, maritiora kristiana voalohany teto Madagasikara. Hanamarika izany amin’ny fomba miavaka ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny maha Fiangonana malagasy voalohany azy. Fanamarihana hotanterahina ny 14 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny toriteny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ady amin’ny Covid-19 – Magadasikara: nahazo fitaovana hanarahana ireo vita vaksiny
Nanolotra fitaovana informatika, Covax traker, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID. Natao indrindra hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny valanaretina covid-19 eto Madagasikara izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, azo jerena haingana amin’ny internet ny fizotran’ny fanaovam-baksiny amin’ny toerana samihafa. Hahafahana manao […]
Fahasalamana: hapetraka eny amin’ny CSB ny fitiliana ny nendran-drajako
Hamehana ara-pahasalamana maneran-tany ny nendran-drajako. Mailo i Madagasikara ka hametraka fitiliana ho an’ireo tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina. Hapetraka eny amin’ny CSBII ihany koa ny fitiliana. Nilaza ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana, Fidiniaina Andriantsarafara , omaly fa efa eo am-panomanana ny fametrahana ireo fitiliana ny tsimokaretona nendran-drajako eny amin’ny tobim-pahasalamana sy […]
Rugby: Nomen’i Faneva Ima «godasse » ny Makis vehivavy
Mifanohana ny samy mpanao fanatanjahantena. Noporofoin’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha izany, tamin’ny fanolorany fitaovana ho an’ireo mpilalaon’ny Makis vehivavy hiatrika ny “Mondiaux 2022”. Na ny sehatry ny baolina kitra aza no nahalalana an’Andriantsima Faneva Ima, kapitenin’ny Barea de Madagascar teo aloha, tsy nanisy elanelana tamin’ireo taranja hafa ny […]
Rallye du Boeny: Mpanamory 33 hiady lohany
Hotanterahina any Mahajanga, ny 12 ka hatramin’ny 14 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-16 amin’ny Rallye du Boeny, karakarain’ny Team Gojanga. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja familiana fiarakodia. Mahatratra 33 ireo mpanamory hifaninana sy hiady ny lohany amin’ity. Anisan’izany, i Mathieu (zaza maditra) sy i Andry […]