Auteur/autrice : Adnews

Mitohy ny hazalambo : Olona efatra naman’Iarisy voasambotra

Mihamafy ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ilay vono olona niseho tao Anosikely Ambolotarakely distrika’Ankazobe. Afakomaly, olona miisa efatra hafa, mpiray dia amin’Iarisy indray no saron’ny zandary tao Anjozorobe. Nisy ny loharanom-baovao voarain’ny zandary fa niafina tsy lavitra ny tanànan’Amboara fokontany Andranovelona sy tao atsinanan’ireo trano ao Besalaka fokontany Ambohijavona ary ny […]

67 ha : Mpanendaka gagilahy tra-tehaka

Manao andiany ! Tratran’ny polisy ny iray tamin’ireo mpanendaka ikoizana eny amin’ny faritra 67 ha, omaly. Efa fantapantatry ny avy eo anivon’ny Filaminam-bahoaka ny fisian’ireo andian-jatovo mpanendaka eny an-toerana ireo ka nandray andraikitra  izy ireo. Natao ny vela-pandrika niarahana  tamin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny CSP 7. Teo am-panatanterahana ny asa […]

Varotra iraisam-pirenena – CCI :Voafidy hanondrana vokatra any Chine i Madagasikara

Hatevenina ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine. Tompon-kevitra amin’izany ny Centre du Commerce International (CCI) sy ny fitondram-panjakana sinoa. Firenena afrikanina valo no tohanana hanondrana vokatry ny fambolena any Chine sy hisarika mpampiasa vola sinoa amin’ireo tany afrikanina ireo.  Voafidy ao anatin’izany i Madagasikara, miampy an’i Ethiopie, Kenya, […]

QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina

Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly  misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika […]

4X4 nivadika teny amin’ny RN44: Profesora sy ny ramatoa vadiny namoy ny ainy

Loza nahatsiravina! Indray namoy ny ainy ny Profesora iray sy ny vadiny, niharan’ny fivadihan’ny fiara tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faha-44, teo Andranokobaka-Andilanatoby, Ambatondrazaka, omaly. Tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka, fiara tsy mataho-dalana  iray marika “Rexton” no nivoaka ny  arabe ary nifatratra tany anaty kirihitra. Nikasa hihazo an’ Ambatondrazaka, hamonjy […]