Auteur/autrice : Adnews

Indraim-bava: Fieritreritra dieny izao…

 Mandindona sy mitatao tokoa ny fifidianana? Efa mandeha amin’ny zotram-pifidianana aza amin’izao fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy izao. Miara-dalana na mirazotra ho azy amin’izany ny karazana fitsikerana enti-manatsara izay atao sy manatratra izay kendrena. Tsy inona fa ny efa hay tsinjery hoe fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra. Mby aiza? […]

Maty tao amin’ny « violon »: lehilahy nananton-tena tamin’ny kilaotiny 

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray, nikasa ny hitrobaka antsy ny vadiny, izay nangataka fisaraham-panambadiana. Nananton-tena  tamin’ny kilaotiny tao amin’ny “violon” izy, ny zoma alina. Hita faty nananton-tena, tao amin’ny biraon’ny zandary Soamanandrariny-Ambohimangakely, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy 19 novambra teo ny raim-pianakaviana iray. Nifamaly tamin’ny vadiny, ny alin’io andro […]

Mpandraharaha voatafika: norobain’ny valo lahy ny vola 6 tapitrisa

Valo lahy nirongo fitaovam-piadiana, voaroba ny vola mitetina enina tapitrisa ariary tao amin’ny tranona mpandraharaha iray anatin’ny tanànan’i  Tsaramandroso, kaominina Ambalajia, distrikan’i Maevatanana, afakomaly alina. Nanapoaka basy, tsy nisy sahy nivoaka ireo manodidina ny toerana nanaovan’ireto dahalo ireto fanafihana. Niditra an-keriny tao amina mpandraharaha iray anefa izy ireo. Nitaky vola, […]

Tadio mahery vaika: olona 35 tsy manan-kialofana

Ravaravan’ny tadio ny tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Soanakambana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nandritra ny minitra vitsy, tapitra niendaka ny tafontranon’ireo mponina tao amin’ity fokontany ity.  Tsy vitan’io, nisy hatramin’ireo fianakaviana sasan-tsasany rava trano. Vokany, olona 35 tra-boina. Tsy manan-kialofana ireto fianakaviana ireto ka noraisan’ny fokontany ao an-toerana […]

Maintirano: zaza varira 5 taona lasan’ny dahalo

Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Amboanara avaratra, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano. Zazalahikely varira vao efa-taona monja no lasan’ny dahalo roa lahy, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina tao an-toerana. Tamin’io fotoana io, niditra an-keriny tao amin’io renim-pianakaviana mananontena io ireo olon-dratsy ka nitaky vola taminy. […]