Nampahatsiahy ny rehetra ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana amin’izao hiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao. Misy ny fepetra sy lalàna tsy maintsy arahina ho an’ireo tomponandraikitra ambony ho kandidà.
Anisan’izany ny tsy maintsy hametrahan’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta fialana raha ho kandidà izy ireo amin’ny asa maha voafidim-bahoaka. Miroso amin’izany fametraham-pialana izany izy ireo raha voambara fa voaray ny filatsahan-kofidiny. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo misehatra amin’ny asam-panjakana ambony, sivily sy miaramila. Samy tsy maintsy mametra-pialana amin’ny daty ankatoavana ny maha kandidà azy. Izany hoe, tokony hametra-pialana ny 18 avrily ho avy izao izany, ireo voakasik’
izany.
Etsy andaniny, misitraka fahazoan-dalana manokana tsy hiasa manomboka amin’ny daty ivoahan’ny lisitra ofisialy ka hatramin’ny andron’ny fandatsaham-bato ny mpiasa eny amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireo sivily sy miaramila, misehatra amin’ny asa ambony mirotsaka hofidina.
Tsy mametra-pialana ny depiote, loholona, ben’ny Tanàna
Ankoatra izay, tsy voatery hametra-pialana ireo depiote sy loholona, ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tsy azon’izy ireo atao anefa ny mampiasa ny fahefam-panjakana sy ny fananam-panjakana nomena azy ireo, hanaovana fampielezan-kevitra sy mandra-pahavitan’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny HCC. Nanamafy izany, herinandro vitsy lasa ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana, ho an’ireo sokajin’olona sasany amin’ny andraikitra sy ny asa sahaniny avy. “Mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra na governoran’ny faritra am-perinasa rehefa tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialin’ny ho kandidà, havoakan’ny rafitra mikarakara sy misahana ny fifidianana”, hoy izy.
Synèse R.




