Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Trano iray nirehitra tampoka vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra teny Ambohimanarina, omaly. Voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny firehetana noho ny fahatongavan’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy. Notanana vonjimaika am-ponja ireo mpiasa roa avy eo anivon’ny orinasa Jirama tao Miarinarivo Itasy, ny 4 avrily teo. Nanome taratasy hosoka […]

Ambohidratrimoanala-Andriampamaky: Fatim-behivavy mampiahiahy tao an-trano

Nisehoana trangam-pahafatesana mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray, ao Ambohidratrimoanala, any Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana. Afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no nahary antso mahakasika izany ny mpitandro filaminana. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny zandary sy ny mpitsabo avy amin’ny CSB 2. Hita tamin’izany ny fisian’ny razana efa mihorirana […]

Nifanenjehan’ny polisy : Mpangalatra vy maty voatifitra

Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo jiolahy roa lahy nifanenjehan’ny polisim-pirenan tao amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina Ambalamanasy, Toamasina, ny zoma 1 avrily teo. Tsika­ritry ny manodidina ny roa lahy naka vy teo amin’io seranam-piaramanidina io. Niantso ny manam-pahefana ireo nanatri-maso. Tonga ara-potoana ny polisy. Sarona teny am-pandidina vy teo amin’ny ilany […]