Auteur/autrice : Adnews

Fanafihana teny Ankadinandriana : Vehivavy roa voaolana, lehilahy voatsatok’antsy

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny fianakaviana iray teny Soamonina, Ankadinandriana. Voaolana ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy. Notsatohana antsy ny lehilahy tompon-trano. Jiolahy iray voasambotra, afakomaly. Voatafika ny tokantrano iray, eny Soamonina, kaominina Ankadinan­driana, distrikan’Avarandrano, ny zoma alina lasa teo. Na­olan’ny olon-dratsy ny renim-pianakaviana iray 44 taona, sy ny zanany vavimatoa […]

Fanafihana mitam-piadiana : Voaroba ny vola 17 tapitrisa Ar sy moto iray tany Toamasina

Mirongatra ny trangana fa­nafihana mitam-piadiana any amin’ny faritr’i Toamasina tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy mi­rongo fitaovam-piadiana indray ny lehilahy iray nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky ao an-toerana ny sabotsy 4 avrily 2026, tamin’ny 9 ora maraina, lasa teo. Voaroban’izy ireo, tamin’izany, ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar sy ny […]

Fikaonandoham-paritry ny polisy: Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana maharitra

Tontosa teny amin’ny Lapan’ny Teny tonga nofo Ambatobe, omaly, ny fikaonandoham-paritry ny Polisim-pirenena eto Analamanga. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra izany. “Ahoana ny endriky ny Polisim-pirenena amin’ny taona 2036”, io ny lohahevitra nodinihina nandritra izany. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra […]

Feo Gasy: Ho mpikambana i Rado

Heno sy hita anatin’ilay rakitsarin’ny «Voronkely hary elatra » an’ny tarika Feo Gasy i Rado Rajaonarison. Zanak’i Fafah Mahaleo izy ary anisan’ireo mandrafitra ny Mahaleo Taranaka. «Izay aho vao tafaraka tamin’i Rado fa tena latsa-dranomaso aho tamin’ny fandraisam-peo. Nandimby an-drainy izy na amin’ny feo na ny maha olona. Mino aho fa […]