Anisan’ny ligy namerina ny Tae-kwon-do amin’ny lazany teo aloha Analamanga. Manoloana izany, takin’izy ireo ny handraisan’ny mpikatroka rehetra anjara hitazomana ny lentan’ny fifaninanana. Nambaran-dRakotomanana Franck Tiana, filohan’ny ligin’Analamanga Tae-Kwon-Do, fa tsy tokony hisy izany mpikatroka tonga dia tafakatra fotsiny izany, satria efa tompondaka farany. “Tokony handray anjara amin’ny fifaninanana avokoa […]
Auteur/autrice : Adnews
Loholona Besoa Erick : “Manohana antsika i Etazonia”
Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nambarany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona hanatsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. […]
Fifaninanan’ny antoko mpihira : norombahin’ny Apal Bemasoandro ny voalohany
Tontosa ny alahady teo , teny amin’ny tokotanin’ny kaominina Bemasoandro ny fifaninanana hira ho an’ireo antoko mpihira, eo anivon’ny distrikan’Atsimondrano. Norombahin’ny Amboaram-peo akon’ny lanitra (Apal), antoko mpihira eo anivon’ny fiangonana katolika Bemasoandro Itaosy ny laharana voalohany tamin’ny sokajy “Open”. Lasan’ny “Grace choir” kosa ny teo amin’ny sokajy “Gospel”. Naharitra roa volana […]
Fiofanana arakasa : namoaka tanora miisa 152 ny INPF
Navoaka ny herinandro teo ireo tanora miisa 152, niofana teo anivon’ny INPF, Ivato. Nisalotra ny anarana “Avo” ity andiany faha-19 ity, rehefa niofanana nandritry ny roa taona. Notolorana ny maripahaizana “Brevet d’Etude Supérieur -BTS” , sy ny “Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée -DFPS” , ary ny “Diplôme de Formation Professionnelle […]
Fiaraha-miasa amin’i Egypte: hampitomboana ny isan’ireo hisitraka vatsim-pianarana
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny ambasadaoron’i Egypte, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny niatrika izany fihaonana izany ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ity Andriampanjakana ity, misahana ny fampiasam-bola sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Rabetsaroana Sylvain. Nivoitra tamin’izany fa mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny […]