Auteur/autrice : Adnews

Fahasalaman’ny saina : miady amin’ny fanilikilihana ny Hifali

Miasa eto Antananarivo sy any Mahajanga ny tetikasa Hifali (Hetsika iombonana ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny lamina ifotony) andiany faharoa, miaraka amin’ny Humanité & Inclusion misehatra. Tetikasa iray miady amin’ny fanilikilihana sy ny fanohanana ara-tsaina sy ara-batana ireo olona tratran’ ny androbe sy ny fianakaviany, miaraka amin’ireo olona manana […]

Fampianarana teny japoney : diplaoma iraisam-pirenena ny JLPT

Indroa isan-taona ny fitsapam-pahaizana miteny japoney, amin’ny alalan’ny JLPT, atao eto Madagasikara. Efa mahaliana tanora maro io tenim-pirenena vahiny io. Nitondra fanazavana ma­hakasika ny fampianarana teny japoney na ny Japanese Language Profi­ciency Test eto Madagasikara (JLPT) ny masoivoho japoney. Fanadinana hitsapana fahaizana teny vahiny iraisam-pirenena ny JLPT. Mitovy amin’ ny […]

TARATRY ny KANTO

Nate Tex – Piment Café Behoririka. Sambany tao anatin’ny taona maro! Tsy dia mpanao “cabaret” firy i Nate Tex, kanefa nisafidy ny Piment Café Behoririka izy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo hira nankafizan’ny maro azy, hatrany amin’ny “Mahatalanjona”, “M’Fly away”, sns, hatramin’ireo nivoaka faramparany, […]

Slam Nasionaly: efa manomboka ny fifantenana isam-paritra

Hotanterahina ny sabotsy 16 marsa 2024 ny fifaninanana rejionaly, ahafahana miatrika ny «Slam nasionaly 2024». Ny mpiangaly slam avy ao Mahajanga, mivondrona ao anatin’ny “Collectif Slama­sôva”, sy ny avy eto Anta­na­narivo, ao anatin’ny “Mada­gaslam Section Tanà” no hanao izany rahampitso. Eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Anda­va­mamba no hanatontosana izany […]