Fanararaotra lehibe ahafahana mifanakalo sy mifandray amin’ny firenena mpandray anjara aminy izao fihaonambe izao. Anisan’izany i Madagasikara, izay miezaka manamafy sy manatsara ny fifandraisany amin’ireo firenena mpiara-miasa aminy. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny praiministra Indianina, Narendra Modi, omaly, ao anatin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany, […]
Auteur/autrice : Adnews
Distrikan’i Marolambo : mangataka hijanona faritra Atsinanana
Araka ny And.143 amin’ny Lalàmpanorenana, ny famoronana sy ny famaritana ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mifototra amin’ny fitoviana eo amin’ny toe-tany, toekarena, sosialy ary kolontsaina. “Ny distrikan’i Marolambo dia manana fifamatorana lalina amin’i Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana, eo amin’ny lafiny voalaza etsy ambony ireo. Noho izany, mangataka hipetraka […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Misy kajy politika ny tetiandrom-pifidianana”
“Misy ny kajy politika ataon’ny fitondrana. Maninona no amin’ny 6 novambra vao hatao ny fifidianana ben’ny Tanàna? Nefa efa tapitra tamin’ny janoary teo ny fe-potoam-piasana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo VI, Andriamampandry Todisoa, momba ny volavolana tetiandrom-pifidianana. Hita hoe manitsaka lalàna ny fitondrana. Eo koa ny hoe […]
Ralambomahay Toavina: “Marefo ny mpanohitra ary toy ny tsy manana herijika hijoroana”
Fiteny mandrakariva ny hoe ilaina ny mpanohitra. Aiza ho aiza amin’izao? Manana ny fijeriny ny mpikamban’ny biraon’ny antoko Humaniste et écologiste sady mpamakafaka politika, Ralambomahay Toavina,: “Hatramin’izao aloha, marefo ny mpanohitra ary toy ny tsy manana herijika hijoroana “. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aiza ho aiza ny mpanohitra amin’ izao? […]
TARATRY ny KANTO
Lany avokoa ny tapakila! Izay mikasa hanatrika ilay fampisehoana “Fa ianareo roa”, hotontosain’i Njakatiana ny zoma izao, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, dia tsy maintsy hanova fandaharam-potoana raha toa ka tsy mbola nahazo tapakila. Nifarombahan’ireo maika te hihanoka ny kanto sy ny fitiavana an-kira homanin’ity mpanakanto ity mantsy ny toerana […]




