Auteur/autrice : Adnews

Fanatsarana ny fiompiana: tokony hihoatra ny 10 kilao isan-taona ny fihinanan-kena

Natao, omaly, teny Ampandrianomby, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny kojakojam-piompiana ho an’ny tantsaha. Vola madiodion’ny fanjakana ny nahazoana azy ireo, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Avy amin’ny fiompiana ny 60%-n’ny fidiram-bolan’ny tan­tsaha eto amintsika. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hampiakarana ny famokarana, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tantsaha, hanatsarany ny […]

TARATRY ny KANTO

Bolo etsy amin’ny Ethnika Analakely. Ilay hira “Ravitoto” no nahazoan’i Bolo ny amboara tao amin’ny sokajy “pop solo”, nandritra ny “RDJ Mozika 2023”, ny alahady teo. Ho fankasitrahana ny mpankafy ny fiarahana hatao ny sabotsy 10 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana amin’ity “show […]

Fanafody hitsaboana ny VIH/Sida : misedra olana indraindray ny ARV ho an’ny zazakely

Olona sahirana avokoa ny 80%-n’ireo marary raisin’ny fi­kambanana ONG Mad’Aids an-tanana hatramin’izao. Ani­san’ny mampitaraina ny ankamaroan’izy ireo ny tsy fisian’ny fitsirihana maimaimpoana eny amin’ny hopitaly, izay tokony hatao isaky ny telo na enim-bolana ao­rian’ny fihinana fanafody, raha toa ka maimaimpoana izany taloha. Tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny olona voan’ny aretina VIH/Sida […]