Da-Hopp eny amin’ny Caesar Grill. Manohy mizara ny”Rap mandrakizay” hatrany ry zalahy… Manome fotoana ireo mpankafy ny rap gasy, na tanora na tanora zokiny, eny amin’ny Ceasar Grill Soanierana, ry Ben-J sy ny tariny anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Fotoana fanararaotra ho an’ireo mpiondana elaela tsy nihaona, mandra-pisian’ny seho […]
Auteur/autrice : Adnews
IFM Analakely: hisy ny tafatafa iarahana amin-dRamanankavana Elie
Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM), Analakely, ao anatin’ny hetsika « Conversation litteraire », ny resadresaka arahina adihevitra iarahana amin-dRamanankavana Elie, Malagasy mpaka sary pika. Ny mahakasika ny boky « Jacques Rabemananjara, l’œuvre poétique » no resahina ao anatin’izany. Fotoana lehibe hifampizarana eo amin’ny samy mpahay kanto na dia samy […]
MSK: mitohy ny asa hanatrarana ny tanjona
Teren’ny fe-potoana napetraky ny Filoham-pirenena ireo mpikambana ao amin’ny governemanta dia ny 100 andro, taorian’ny nanendrena azy. Asa mivaingana ao anatin’ny fotoana fohy, araka izany, no takiana. Ho fanatanterahana izany, niroso tamin’ny fifampindram-pahefana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, omaly. Nandray ny toerany ny sekretera jeneraly vaovao, Rakotondrasoava […]
Tany, teny, fomba… Very fototra ny Malagasy
Hafa mihitsy ny Malagasy. Tsy mitovy amin’ny firenen-drehetra ny zava-misy sy iainany fa izay miseho, mahazendana avokoa ! Ilay fototra mihitsy no mitsingevana. Ny Malagasy ihany no mbola mandany fotoana maharitra miresaka ny teny ampiasaina eo amin’ny taniny. Malagasy fatrapanaja ny lamina voajanahary, kanefa, nanjary mifanditra noho ny teny ampiasaina. Misy […]
Fivarotana lasopy mandehandeha: misy ireo tsara kalitao sy ara-pahasalamana
Maro samihafa ireo mpivarotra hani-masaka hita eny rehetra eny. Tsy mifidy toerana intsony fa ahitana azy ireny avokoa rehefa toerana be olona. Mba ho fitsinjovana ny fahasalamana anefa, ilaina hatrany ny mifidy ny tsara kalitao. Nandritra ny enin-taona izay no niseharan’ity raim-pianakaviana ity teo amin’ny fivarotana lasopy. Dingana maro no […]




