Auteur/autrice : Adnews

Rakotonirina Elysa: « Hiasa mahitsy sy madio isika »

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Jly Rasolondraibe Jean Yves, talen’ny kabinetra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, sy Rakotonirina Elysa, vao voatendry ho eo amin’izany toerana izany. Nitarika ny lanonana i Fanohiza Claude, sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nisaotra manokana ny filohan’ny Repoblika ity talen’ny […]

Fiarovana ny tontolo iainana: namboly hazo 3 000, teny Iavoloha, ny Prezidansa

Nitohy teny amin’ny manodidina ny Lapam-panjakana Iavoloha indray ny hetsika fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Nitarika izany ny filohan’ny Repoblika. Nambarany tamin’izany fa mitari-dalana sy manome ohatra eo amin’ny fambolen-kazo ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Anisan’ny nanatanteraka izany ireo rantsa-mangaika sy ny eny anivon’ny fitantanana ny minisitera […]

MESUPRES: nanome ordinatera ny onivesiten’Antananarivo

Nihaona teny Fiadanana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (MESupReS),  Dr Razafiharison Andriamanantena sy ny fianakaviamben’ny oniversiten’Antananarivo. Voasolo tena avokoa ny tomponandraikitra sy ny filankevitra siantifika notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Pr Ravelomanana Mamy. Nanotrona koa ireo lehiben’ny toeram-pianarana sy ny lehiben’ny sampam-pianarana samihafa.  Nandritra ny fihaonana, nanaovana tsidi-dresaka […]