Hotanterahina any Antsiranana, ny 23 – 25 aogositra 2024 izao, ny Kongresy eokaristika Nasionaly. Ny fihavanana no manasitrana an’izao tontolo izao. “Mpiray tampo avokoa ianareo” ny lohahevitra amin’izany. “Miavaka ny hetsika satria hanomezan-danja bebe kokoa ny sakramentan’ny fampihavanana. Ivon’ny fankalazana sy ny zavatra atao rehetra ihany koa”, hoy ny Mgr […]
Auteur/autrice : Adnews
Digue Anosimpatrana : hisokatra ny sabotsy izao ny làlana
Nampitomboina ny fitaovana nampiasana hifehezana ny fiparitahan’ny fako eny Anosimpatrana. Mifarimbona ireo hery velona amin’ny fifanomezan-tanana rehetra. Andro aman’alina ny fanadiovana. Omaly, nodiovina tamin’ny rano ny arabe mba hahafahana manokatra ny lalana. Nanomboka omaly ihany dia niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana teny an-toerana. Marihina fa ho fanafainganana ny asa dia […]
Tetikasa Mionjo : nahazo fitaovana hanatsarana ny fanairana mialoha ny BNGRC
Hahomby kokoa ny fiomanana ny loza sy ny tandindon-doza satria nahazo fitaovana hampiasaina ireo mpisehatra eny ifotony avy amin’ny tetikasa « Mionjo ». Efa eo an-dalam-panamboarana rahateo ny Centre opérationnel lehibe ao Ampanihy. Maharitra efa-taona ny tetikasa «Mionjo», andiany voalohany, iarahan’ny minisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny […]
Fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote: hihamaro ireo manana fahasembanana hifidy
Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa iarahan’ny Ceni sy ny Pnud momba ny tomban’ezaka fampandraisana anjara amin’ny zotram-pifidianana ireo manana olana eo amin’ny fahitana. Nambaran’ny sekretera mpanatanteraky ny Ceni, Ravaonirina Liliane, fa efa nampiasa fitaovana manokana ho an’ny jamba ny Ceni tamin’ny fifidianana farany teo. Nisitraka izany ireo tany amin’ny […]
Raiamandreny ara-drazana: « Miandany amin’ny rariny sy ny hitsiny izahay »
Nitohy, omaly, teny amin’ny Fofikri Ilafy, ny atrikasa sy fikaonandohan’ny fikambanana sy vondrona mitambatra ao anatin’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM). Hetsika notarihin’ny Andriana Rakotondrasoa Noël. Niatrika izany tao anatin’ny roa andro ireo solontena isam-poko manerana an’i Madagasikara. Anisan’ny tena nasongadina ny fandinihana ny zava-misy ankehitriny sy fandraisana fanapahan-kevitra manoloana […]




