Auteur/autrice : Adnews

Fifanatrehana amin’ny depiote: hanazava ny fandaharanasany avy ireo minisitra

Hifanatrika amin’ireo solombavambahoaka eny amin’ny Antenimierampirenena ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, anio. Samy hitondra ny fandaharanasany ireo minisitra amin’izany. Hitarika ny fifanatrehana sady hanomboka ny famelabelarana ny Fan­daharanasa ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny Praiminisitra, i Ntsay Christian. Samy hanazava ny anjarany avy kosa ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta avy eo, araka […]

“Diovy i Madagasikara” : Tsy handray anjara amin’ny fifidianana

“Ny lojikan’ny fijoroanay, mitaky ny fiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna: tsy mandray anjara amin’ny fifidianana izay fantatra fa hanome hasina ny fanjakana misy amin’izao fotoana izao”. Io ny nambaran’ny ny Cellule de crise “Diovy i Madagasikara”, Ralaiseheno Guy Maxime, teny Antsakaviro, afakomaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ato ho ato. Tsy […]

Faritra Bongolava : mangataka hatrany ny fanoloana governora ny depiote

Resaka tsy vita? Manga­taka hatrany ny fanoloana ny governoran’ny Faritra Bongo­lava ny depiote IRD voafidy tany Tsiroanomandidy, Ra­maherijaona Hajanirina.”Nisy governoram-paritra telo nosoloina teo. Miandrandra izahay ary mbola mipetraka ny fangatahanay ny hanoloana azy, fa tsy misy zava-bita”, hoy izy ny amin’izany. Ny lalana nataony any Fenoarivobe mankany Tsi­roanomandidy izao, efa […]

Rabevahiny Elia : «Ny fifampiresahana no handaminana ny firenena»

Hanao ahoana ny fiatrehana ny fifidianana manaraka eo? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Tsy ny fifidianana kaominaly sy ny fifidianana depiote akory no handamina ny firenena fa fifampiresahana handaminana ny zava-drehetra aloha”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Rabevahiny Elia (-): Amin’izao, tsy […]

TARATRY ny KANTO

Mila tolo-tanana koa i Lalie. Marary ka nampidirina ao amin’ny hopitaly Befelatanana i Lalie. Nanao antso hanampiana azy izy. Tazana amin’ny horonantsary nataony fa mibontsina ny kibony, ka mila fizahana isan-karazany vao afaka miroso amin’ny fandidiana. Tsy niandry ela fa avy dia nanao ny fanentanana ireo mpanakanto namany. « Moramora […]