Auteur/autrice : Adnews

STAR : mpiasa 566 nahazo mari-boninahitra

Tontosa ny herinandro teo ny lanonana fifampiarahabana teo amin’ny samy mpiasan’ny STAR. Nohararaotina, nandritra izany, ihany koa ny fanomezana medaly sy mari-boninahitra ireo mpiasa mendrika. Miisa 566 ny nisitraka izany, avy amin’ny masoivoho Star manerana ny Nosy : 4 ny “Commandeur de l’Ordre National”, 23 ny “Officier de l’Ordre National”, […]

Famokarana: hatsaraina ny fiaraha-miasa

Natao ny alakamisy teo, teny Anosy, ny dinika niarahan’ny tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohari­jaona Rakotoarisolo Suzelin. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny zava-misy sy ny lesoky ny fiaraha-miasa hatramin’izay teo amin’ny minisitera sy ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Samy nitondra ny hetahetany sy […]

Jono : mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny PADM

“Mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny tetikasa fiompiana trondro maharitra eto Madagasikara (PADM) noho ny ezaka nataony. Namorona asa manodidina ny 5 120 koa ny tetikasa”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert, nandritra ny atrikasa famaranana ny tetikasa “PADM” tetsy Ambodivona, omaly. Vaindohan-draharahan’ ny tetikasa […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafiditra ao anatin’ireo firenena 11 tsara tsidihina indrindra maneran-tany, mandritra ny taona 2024, i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny gazety Vogue. Miavaka ny hakanton’i Madagasikara, noho izy manana karazan-javamananaina miavaka sy tsy fahita maneran-tany. Tokantrano 4 tapitrisa no hisitraka ireo fitaovam-pahazavana mandeha amin’ny masoandro mandritra ity taona ity. Hapetraka ihany […]

Tanamasoandro Imerintsiatosika : velaran-tany 20 ha novolena zana-kazo

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana sy mamelon’aina no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Tontosa teny Imerintsia­tosika, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024. Niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry mivady niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny go­vernemanta sy olo-manankaja maro. […]