Auteur/autrice : Adnews

Ho fisorohana ny loza mialoha: nofanina ny mpamantatra ny toetry ny andro

Natao tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana mahakasika ny fanairana sy fampitandremana mialoha ny loza mety hitranga, hisorohana ny fahavoazana mihoa-pampana rehefa misy loza voajanahary, in­drindra ny rivodoza izay mpahazo antsika. Tanjona ny hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo masoivoho nasionaly sy isam-paritra mikirakira ny famantarana ny toetry ny andro. Hahomby ny sori-dalana omena […]

Asa amin’ny “Web”: hanofana maimaimpoana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika

Manana ny hoaviny ny asa amin’ny Web ary mbola malalaka tsara ny tsenan’ny asa mifandraika amin’izany. Mila olona mahafehy ny asa ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ka izay no nanosika ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hanofana tanora. Betsaka ny tolotrasa miompana amin’ny Web mikirakira “internet” fa tsy ampy fiofanana […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina eny amin’ny CGM Analakely ny seho an-tsehatra “Misy Mihaino?”. Fotoana ahenoana sy ahitana ary ilalaovana an-tsehatra ireo tantara an’onjampeo. Ho hita mandritra izany ry Christophe Rabearimanana, Zo Maminirina, Nofy, Mampandri­niaina Manitra, Niravo, Sylvia Rabenatoandro, Hanja­ri­liva ary Tolotra Arinandriana. Mitohy hatrany ny fampiofanana ireo Mpanabe kanto, ao anatin’ny Tetikasa “Kanto […]

« Slam national scolaire »: hiditra amin’ny andiany faharoa

Fifaninanana lehibe ani­san’ireo hokarakarain’ny Ma­dagaslam, amin’ity taona ity, ny “Slam national scolaire” andiany faharoa. Efa vita ny dingana voalohany ary vinavinain’ny mpikarakara hatao ny volana jona na jolay 2024 ny dingana faharoa sy famaranana. Ireo ankizy mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany, avy amin’ny sekolim-panjakana, amin’ny faritra maro, no handray anjara […]

TGC – 20 Taona: hiverina hiseho etsy Analakely

Ny 4 febroary 2004 no nanomboka ny tantara… Tao amin’ ny Tranompokonolona Analakely, niaka-tsehatra voalohany ny Tanà Gospel Choir-TGC. Antony iray nisafidianan’izy ireo ny hiverina ao amin’ity toerana ity izany, 20 taona aty aoriana. “Tamin’ny voalohany” ny anaran’ny seho, izay hotontosaina ny 4 febroary izao, izay maneho indrindra ny fahatsiarovana […]