Auteur/autrice : Adnews

Orange Digital Center Champions : nankasitrahana ny ekipan’ny Misa

Nivoaka ho mpandresy, nitana ny laharana voalohany, ny ekipan’ny Misa manoloana ny ekipa 15 hafa avy amin’ny firenena maro eto amin’ny kaontinanta afrikanina. Fifani­nanana “Orange Digital Center Champions”. Nidera manokana ny haavolentan’ny fiofanana eo anivon’ny Misa sy ny fahaizan’ireo tanora ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frederic Debord. Notolorana amboara sy […]

Fahabetsahan’ny rotsakorana : faritra valo nahazo fampitandremana

Filazana miloko mavo amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ho an’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Voakasik’izany koa ny distrikan’Ambilobe, Ambanja, Nosy Be, Miandrivazo, Mahabo ary Belo sur Tsiribihina. Io ny fampitandremana nomen’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, omaly. Filazana miloko mena, amin’ny habetsahan’ny rotsakorana hatrany, ho an’ny faritra […]

Fisitrahana tolotra ara-pahasalamana: entanina hiditra anaty rafi-piantohana ny olona

Fitsimbinana ny fahasalamana ho an’ny rehetra ny CSU. Anisan’ny vahaolana ialana amin’ny tsy fananam-bola tampoka raha sendra marary ny fidirana anaty rafitra fiantohana ara-pahasalamana. Nampahafantatra bebe kokoa momba ny fahafahana misitraka fahasalamana ara-kalitao, izay ilaina amin’ny fotoana rehetra sy tsy misy fahasahiranana ara-bola (CSU), ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manentana ny rehetra, […]

FANTINA sy FINTINA

Mbola ao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy isika amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa nanomboka ny 1 desambra 2023 hatramin’ny 15 febroary 2024, izany fanavaozana ny lisitry izany. Entanina, araka izany, ireo izay vao feno taona na nifindra monina hanatona ny biraom-pokontany ao anatin’io fe-potoana io. “Tsy afa-misaraka amin’ny […]

Fifidianana kaominaly: tsy maintsy handray fepetra ny governemanta

Manoloana ny fahatape­ran’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina, izay nifarana andro vitsy lasa izay. Nanambara ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany, Andriantsitohaina Naina, fa tsy maintsy handray fepetra ny governemanta mba hahafahana mandamina ny fotoana, manomboka izao ka mandra-pahatongan’ny fifidianana. Natao izany ho fanarahana ny lalàna […]