Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fiofanana ho an’ny mpitsara eo anivon’ny seksiona Mahajanga I, ny Coach Lobo sy i Yvon Avry. Miisa 28 mirahalahy izy ireo no nisitraka ity fampiofanana ity. Tanjona ny hampiharana avy hatrany ny fiofanana natao eny anivon’ny klioba. Marihina fa tafiditra amin’ny fanatsarana ny baolina kitra any amin’io faritra io […]

Fifaninana any Thaïlande: nahazo “record national” i Tendry

Mivoatra hatrany ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy, amin’ny fiofanana izay ataony any Thaïlande, eo amin’ny taranja lomano. Vao avy niatrika fifaninanana iray izy tamin’ity herinandro ity ary nahazo “record national” sy nahavita nanatsara ny zava-bitany. Teo amin’ny 200 m Dos no nahavitany izany, tamin’ny fe-potoana 2’25” 47 raha toa ka […]

Randriamanampisoa Alfred : nanatrika ny fihaonana antampon’ny Fifa 2023

Nihaona fanindroany omaly, tany Arabia Saodita, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randrimanampisoa Alfred. Notanterahina omaly, tany Arabia Saodita, ny fihaonamben’ny Fifa, “Sommet du Foot-ball de la Fifa 2023”. Tonga nanatrika izany, ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanam­pisoa Alfred, sy ny […]

Fiahiana sosialy 2024-2030 : hiompana amin’ny maha olona ny paikady nasionaly

Tapitra amin’ity taona ity ny dingana voalohany tamin’ny paikady nasionalin’ny fiahiana sosialy notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina izay naharitra 5 taona. Nanao tombana ny pai­­kady niaraka tamin’ireo minisitera mpiantsehatra sy ny mpiara-miombon’antoka ny ekipa tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivoma­na­na Ghisbert. Hisy atrikasa hampahafantarana ny […]

Fitantanana loza : nohazavaina ny lalàna amin’ny fampiasana  drones 

Nanazava ny lalàna sy ny rijan-teny rehetra tokony ho fantatra mahakasika ny fampiasana drones, ao anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC sy ny PAM, nandritra ny herinandro, tany Taolagnaro. Tao koa ny tomponandraikitra avy eo amin’ny fitaleavana jeneralin’ny fifamoivoizana ana habakabaka sivily eto Madagasikara. Izy ireo no […]