Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Tontosa ny hetsika « lakozia mitety sekoly » andiany faharoa, nandraisan’ny mpianatra avy amin’ny sekoly « Pinocchio » sy ny EPP Faravohitra anjara, teny amin’ny zaridainan’Andohalo. Tanjona ny hitandroana ny fampandraisana anjara ireo ankizy hitazona ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny « Tsikonina ». Nikarakara ny hetsika ny coordination national du […]

Fikambanan’ny mpianatr’Ankatso: niarahaba ny filoham-pirenena, miantso fifanomezan-tanana

Maro ny zava-bita eny anivon’ny Anjerimanontolo. Nilaza ireo mpianatra fa tsy mahasahana ny mpianatra rehetra izany, koa miantso ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Niarahaba ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, tafapetraka soa aman-tsara indray eo amin’ny fitondrana ireo fikambanan’ny mpianatr’Ankatso, omaly, nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo. Miantso fifanomezan-tanana mba ho bebe kokoa […]

TARATRY ny KANTO

Mbola Talenta sy ny Rarri feo. « After Mandona be » no nataon’izy ireo anaran’ity fiarahana ity. Hiavaka amin’ny mahazatra hatramin’izay, ao amin’ny Karibotel Analakely, manomboka amin’ny 8 ora. Efa tsy zoviana amin’ny maro i Mbola talenta sy ny gitarany. Tovovavy maromaro manan-kozaraina kosa no mandrafitra ny Rarri feo, izay handahatra hira […]

« 74ème Festival du Film de Berlin »: Voafantina ny sarimihetsik’ i Luck Razanajaona

Sarimihetsika fohy miisa 7 sy sarimihetsika lava miisa 6 no voafantina hiatrika ny « 74ème Festival international du film de Berlin ». Ny 15 hatramin’ny 25 febroary 2023, any Berlin, no hanatanterahina ity hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ity. Anisan’ny voafantina ny “Disco Afrika, “A Malagasy” notontosain’i Luck Razanajaona. Taorian’ny fandraisan’anjara […]

mPARIAKA Boky : namoaka vokatra vaovao

Nivoaka ny alarobia lasa teo ny boky “Mais où vont-ils tous?”, nosoratan’i Dominique Ranaivoson. Razanadriaka Lalao Elina no nandika azy, nanao ny sary kosa i Doda. Ny Mpariaka boky kosa no niandraikitra ny fanontana. Boky ahitana tantaran-tsary, mampahafantatra sy maneho ny zava-misy iainana eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny […]