Auteur/autrice : Adnews

Voaroba ny mpandeha : Taksiborosy roa notafihin’ny jiolahy

Lasan’ireo jiolahy avokoa ny entan’ireo mpandeha rehetra nandeha taksiborosy vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Ambondromamy, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Taksiborosy roa ireto notafihan’ny jiolahy ireto, 10 km mialoha ny hidirana ny tanànan’Ambondromamy no nisehoan’izany. Nihorohoro tanteraka ireo mpandeha re­hetra satria niraradraraka ny torabaton’ireo olon-dratsy. Tampoka ity fanafihana […]

TSELATRA

Olona 10 naratra, raha roa miady amin’ny fahafatesana. Io no vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ihazolava RN 7, omaly maraina. Taksiborosy iray no nifandona tamina fiara R. Kangoo iray. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary sady nandefa ireo naratra […]

Mahitsy-Ambohidratrimo : Ifandroritana ny vaovao nahafatesana jiolahy

Mifamahofaho ny vaovao nahafatesana lehilahy iray teny Mahitsy, tamin’ny alakamisy alina. Ny zandary milaza fa jiolahy. Ny fianakaviany manambara fa tsy olon-dratsy. Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy iray voalaza fa dahalo tetsy Mahitsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 15 desambra teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary, mo­dy […]