Auteur/autrice : Adnews

Kolonely Randrianirina Michaël : Feno herintaona, anio, ny fianianana nataony

Nampanantena vahaolana sosialy ny filoham-panjakana tamin’ny lahateniny tetsy amin’­ny Lapan’ny HCC, Am­bohi­dahy ny 17 oktobra 2025. Notanterahina tamin’io fo­toana io ny lanonam-pitsarana ma­­netriketrika nandraisana ny fianianan’i Kolonely Randria­nirina Michaël, izay tendry ho filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, araka ny didy navoakan’ny HCC ny 14 oktobra 2025. Ni­ta­rika izany ireo mpitsara […]

Fiovana… tsy baranahiny 

  Mahavariana rey olona ny fiainan’ny Malagasy sasany, indrindra ilay eto an-dRenivohitra. Vao misy fanatsa­rana kinasa, fanadiovana hatao dia andao hitokona sy handorondoro. Manao izay hihantsiana ny fahefam-panjakana tanteraka. Tsy te hivoatra sy tsy te hilamina ilay olom-pirenena. Aleony mihaingo ambony tsikoko, miaina ambony zaoridira. Mandry ambony savorovoro sy korontana. […]

Ady amin’ny kolikoly… Hampiasa ny rindram-baiko IA ny fitsarana

Nikarakara atrikasa momba ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny eo anivon’ny Filankevi-panjakana. Tafiditra amin’­ ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny fitsarana izany. Nampahafantarina tamin’izao atrikasa izao ny rindrambaiko mpana­fina anarana « Anonymiseur » novolavolain’ny Filankevi-panjakana. Nambaran’izy ireo fa azon’ny mpitsara rehetra hampiasaina izany. Noforo­nina ary tsy nandaniam-bola avy amin’ny fanjakana ity fitaovana […]