Auteur/autrice : Adnews

« Festival Sar’nao » : hitohy eny amin’ny CGM ny hetsika

Tanterahina ny 11 hatramin’ny 16 desambra 2023, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny fampirantiana «Street Photography», karakarain’ny Photo Club CGM. Marihina fa mbola tafiditra ao anatin’ny «Festival Sar’nao», andiany faha 14, ity hetsika ity. Mpahay kanto, mpaka sary pika maro no handranty ny sariny amin’io fotoana io. Samy haneho […]

Hira evanjelika : manohy ny diany ny T.M.I

Tanora Masina Itaosy (T.M.I), nahatontosa seho maro nandritra ity taona 2023 ity. Tao ny fampisehoana tamina sehatra lehibe (Antananarivo, Antsirabe…). Tsy vitsy koa ireo notanterahina tany anivon’ny fiangonana. Hitohy rahampitso 10 desambra, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny FLM Ambatonjara By-Pass izany. Fampisehoana hira evenjelika sy fitoriana an-kira […]

Maherin’ny 65 000 ireo mpitsidika : faranana amin’ny seho ara-javakanto ny fandalovan’ny Logos Hope

Tapitra amin’ity faran’ny herinandro ity ny fivahinianan’ilay sambo Logos Hope ao Toamasina. Seho ara-javakanto anatiny sy ivelan’ity sambo miendrika famakiam-boky goavana ity no hamaranana izany. 65 000 mahery omaly zoma. Azo antoka fa mbola hitombo isa ireo mpitsidika ny sambo Logos Hope, anio sy rahampitso. Herinandro maromaro izay no nisafidy […]

Fetin’ny Krismasy : misafidy ny kilalao fanabeazana ny ray aman-dreny

Akaiky ny fetin’ny Krismasy. Mividy kilalao ho an-janany avokoa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Anisan’ny safidin’izy ireny ny kilalao fanabeazana. Tsy dia misy vanim-potoana loatra ny fividianana sy ny fandehanan’ny tsenan’ny kilalao, raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanaovana fanadihadiana. Somary mandeha kosa ny tsena ho an’ny vanim-potoana akaiky fialan­tsasatra, fetin’ny Krismasy, fe­tin’ny paka ary […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy nanembantsembana ny amperinasa rehefa nisotro ronono ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Jly Ravalo­manana Richard teny Ambohitsirohotra, omaly. Nankasitraka ny andraikitra nomena azy, ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena kosa ny Jly Ranjeva Marcel tamin’izao fihaonana izao. Nolanian’ny Antenimierandoholona tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2024. Tamin’ny […]